FANATANJAHANTENA HO AN’NY SEMBANA : Atleta 140 no hiatrika lalao iraisam-pirenena

Nanomboka tamim-pomba ofisialy io maraina io ny fiadiana ny amboara ho an’ireo olona manana fahasembanana aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana (na ny Coupe des clubs champions handisport  de l’Océan Indien – CCCHOI) andiany faha-19.

Atleta miisa 140 avy atsy amin’ny nosy La Réunion, Maorisy, Kaomoro ary Madagasikara no handray anjara  amin’ity fihaonana faha-19 ity, izay hifarana ny 08 desambra ho avy izao.

Amin’ny maha-firenena mampiantrano  an’i Madagasikara dia ekipa roa no hisolontena antsika amin’izao lalao izao.

Taranja efatra (4) kosa no hifaninanana dia ny basket-ball, ny tennis, ny tsipy kanetibe olon-droa ary ny boccia, izay karazana tsipy kanetibe ihany. Tsy hanana solontena amin’ity taranja farany ity moa isika, noho ny tsy fisian’ny fifaninanana natao tamin’izany.

Araka izany dia etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina etsy Mahamasina, kianja ANS Ampefiloha ary eny amin’ny kianja CBT Mahamasina no hanatontosana izao lalao izao, araka ny taranja sahaza azy avy.

Andron’ny fahasembanana

Mifanandrify indrindra amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny olona manana fahasembanana ity fihaonana ara-panatanjahantena ity.

Fotoana hanaporofoana izany fa manana ny anjara toerana eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena tokoa ny olona sembana ary tsy izany ihany fa eo amin’ny sehatry ny fiaraha-monina manontolo ary anisan’izany ny seha-pamokarana.

Tsy enta-mavesatra loatra ho an’ny ankohonana, noho izany, ny sembana satria afa-miatrika ny fiainana andavanandro, indrindra raha afaka manao fanatanjahantena tahaka izao.

Vous aimerez aussi