Miadana ny fiovan’ilay tangoron-drahona ao avaratr’i Madagasikara. Na izany aza, heverina ho lasa rivodoza izany ny alakamisy na zomà ho avy izao. Io no vinavina mikasika ny toetr’andro eto amintsika amin’izao fotoana izao.
Araka ny fanambaran’ny manam-pahaizana momba izany dia roa ireo tangoron-drahona misy ka hisy fiantraikany eto amintsika izany amin’ny faran’ny herinandro izao.
Mialoha izany anefa dia mbola ho maina tanteraka ny andro.
Fantatra moa fa efa voaomana sahady ny Ambali, ho anaran’izany rivodoza izany.
Hisy, manoloana izany, ny tokony ho fiomanana sy fepetra raisin’ny tompon’andraikitra amin’ny faritra avaratra iny, indrindra moa ny fampiomanana ny mponina.
Fantatra fa misy hatrany ny fandalovan’ny rivodoza eto amintsika hatrizay. Tsy dia misy fepetra hentitra raisin’ny fanjakana loatra anefa amin’izany, toy ny fananganana trano mahatanty rivodoza, ohatra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

