ASA FANAOVAN-GAZETY : Foana ny fampidirana am-ponja

Foanana ny sazy mampiditra am-ponja eo amin’ny fanatanterahana ny asa fanaovan-gazety. Izany no anisan’ny volavolan-dalàna navaozina mikasika ny sata fanaovan-gazety sy ny serasera,  izay dinihan’ny zana-baomiera nanomboka tamin’ity andro ity.

Araka izany dia ho soloina lamandy kosa izany mba hananana fetra eo amin’izay mety ho fihoaram-pefy mety hitranga amin’ny fanaovana ity asa ity.

Ankoatra io dia misy ny teboka fito vaovao, izay dinihin’ity zana-baomiera ity ihany, ka hamaritana ny sata vaovao.

Fitsarana Avo

Raha tsy misy ny fiovana dia ho fantatra rahampitso alarobia ireo solombavambahoaka miisa efatra (4) handrafitra ny Fitsarana Avo (na ny Haute Cour de Justice), izay rafi-pitsarana hatao hitsara ireo olona ambony, toy ny Filoham-pirenena, minisitra,…

Marihina fa ny roa amin’ireo no tompon-toerana ary ny roa kosa mpisolo toerana.

Fantatra moa fa anisan’ny ady atao amin’ny kolikoly ny nananganana ity Fitsarana avo ity, izay matetika ny olona miandraikitra fitantanana ambony no tsimatimanota manatanteraka izany hatrizay.

Ho voafetra na ho foana tokoa, araka izany, ny fanaovana kolikoly avo lenta hatrizay ka mba ho modelin’ny mpiasa rehetra ireo heverina ho olona mpitarika.

Vous aimerez aussi