TOBY AKAMASOA ANDRALANITRA : Mpivarotra rongony ny 10 % n’ireo mponina

Nampitsangam-bolo ny fanambarana nataon’ny mompera Pedro, omaly, teny amin’ny toby Akamasoa Andralanitra. « Ny 10 isan-jaton’ireo monina ao amin’ny toby, no misehatra amin’ny fivarotana zavamahadomelina », hoy izy.

Miteraka tsy filaminana

Tsy nitsaha-nitombo ny isan’ireo ampela voaolana teny amin’ny toby Akamasoa ary maro ihany koa ny asa fanendahana sy ny vaky trano, tsy tao amin’ny faritry ny toby ihany fa dia nihitatra tamin’ireo vohitra manodidina ihany koa. Mandry tsy lavo loha ireo mponina ary nihena ny risim-po hoenti-miasa sy mamokatra. Raha tsiahivina, miasa amin’ny fanodinana ny vato ny ankamaroan’ireo monina eny Andralanitra noho ny fisian’ny tahirim-bato voajanahary maromaro eny an-toerana. Ireo olona kamo hisasatra sy hampiasa ny herim-batany no mamalan-kira manao ny fivarotana zavamahadomelina noho izy vola haingana, raha ny fanehoan-kevitra nataon’ny solontenan’ny mponina.

Nametrahana paositry ny polisy

Manoloana izany, napetraka eny an-toerana ny paositry ny polisy mba hanamafisana ny lafiny fandriampahalemana eny an-toerana. Nahavelom-bolo ny mponin’Andralanitra ny fametrahana ny fotodrafitrasa noho izy ireo efa mizaka ny tsy eran’ny aina loatra vokatry ny tsifandriampahalemana tato ho ato. Nanterin’ny mompera Pedro ny fisaorana ny avy eo anivon’ny polisim-pirenena tsy nanosi-bohon-tanana azy raha nangataka ny hametrahana ny paositry ny polisy ny tenany. Fepetra noraisin’ny toby Akamasoa ihany koa ny fanakatonana ireo toeram-pivarotana zavapisotro misy alikaola hisorahana ny fifamaliana izay matetika miafara amin’ny ady saritaka ao amin’ny toby Akamasoa.

Vous aimerez aussi