Tonga eto Toamasina ny maraina teo ny filoha Rajoelina,nanatanteraka atrikasa miaraka amin’ ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany eto an-toerana. Nitondra ireo mpitsabo izay avy any Antananarivo hifanome tanana amin’ireo mpitsabo eto Toamasina, izay miisa 29 ( biologiste, dokotera, psychiatre), nanolotra fiara 4×4 miisa 20 sy ambulance miisa 5 hanampy ireo mpitatitra marary.
275 ny isan’ireo marary eto Toamasina amin’izao ka 60 ao amin’ny hopitaly Manarapenitra, 50 Ambatovy, ary 48 ao amin’ny Foyer social Canada, ary miisa 117 ireo arahina maso any an-tranony amin’izao.
Hitohy ny tolakandro izao ny fitsidihana ataon’ny filoha hijery ireo toerana hametrahana mararin’ny covid-19 ao amin’ny CRJS.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.



