Ny hampifanatrika ny vahoaka amin’ny governemanta eny amin’ny lapan’ny Antenimierandoholona. Io no anisan’ny fepetra nentin’ireo senatera avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo handaminana ny raharahan’Ambohitrimanjaka.
Nidina teny ifotony ireo loholona ireo ka nitafa mivantana tamin’ny vahoaka voakasik’ity tetikasa Tanamasoandro ity, noho ny maha-mpiahy ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana azy.
Nandritra izany no nanambaran’ny solontenan’ny mponina fa tsy mandà ny fampandrosoana izy ireo, saingy tokony hatao any an-toeran-kafa kosa io Tanamasoandro io noho ny fiveloman’ny mponina voakitik’izany tetikasa izany.
Manaitra ny fitondrana
Manoloana izany no nanambaran’ny loholona Jafetra Randriamanantsoa fa hanaitra ny fitondram-panjakana ny loholona mba handray ny andraikiny, mba tsy hitaran’ity raharaha ity amin’ny zavatra hafa.
Araka izany, nanamafy ny senatera Olga Ramalason fa hanao ny tatitra momba ity fihaonana tamin’ny mponina ity eo amin’ny birao maharitry ny Antenimierandoholona. Anatin’ny fivoriana ara-potoana faharoa rahateo ity andrimpanjakana ity ka hodinihina amin’izany ity raharahan’Ambohitrimanjaka ity. Koa amin’izany no hamaritana ny fotoana tokony hifanatrehan’ny governemanta amin’ny vahoaka.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

