FAMATSIAN-TSOLIKA : Mbola misy tahiry 8 andro

Mbola manana tahirin-tsolika mandritra ny 8 andro isika, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny rano ary ny akoranafo, Vonjy Andriamanga, io maraina io. Ankoatra ny 1 tapitrisa litatra efa voalaza dia mbola manana 1 tapitrisa litatra mahery izay avy any Toamasina Antananarivo. Araka izany dia ampy tsara ny tahiry.

Nitondra izany fanazavana izany ity tompon’andraikitra ity, noho ny mbola fisian’ny filaharana manerana ny toby fitsinjaran-tsolika eto an-drenivohitra, io maraina io.

Ho avy ny zomà ny sambo

Namafisin’ity Minisitra ity ny fanazavana efa nentin’ireo Vondrona mpandraharaha ara-tsolika fa ny zomà ho avy izao no ho tonga ny sambo mpamatsy solika eto amintsika. Ambonin’izany, mbola misy tahiry 1 tapitrisa litatra ny lasantsy, izay ampy 6 andro ary 7 tapitrisa litatra ny gazoala, izay mbola mahavita 11 andro eo.

Na izany aza, hoy hatrany ny fanazavana, nisy fahatarana ny fahatongavan’ity sambo ity, satria ny 15 oktobra lasa teo no tokony higadona eny amin’ny seranan’i Toamasina izy, kanefa ny 25 oktobra ho avy izao vao ho tonga, ary hitondra solika 7 tapitrisa litatra.

Nambaran’ireo tompon’andraikitra ireo ihany anefa fa noho ny tsy fisian’ny famatsiana ny sabotsy sy alahady, no antony nahatonga ireny tranga tamin’ny faran’ny herinandro teo ireny. Noho izany, niandry ny alatsinainy fa vao novatsiana ireo mpaninjara.

Koa manoloana ny zava-misy dia nanentana ny Minisitra mba tsy hividy mihoatra ny mahazatra ny mpanjifa. Tsy ekena ihany koa, hoy ihany izy, ny fividianana solika amin’ny « bidon ».

Ny valala misy

Ny valala misy, ny mpilaza koa mahay, hoy ny fitenenana, ka manana ny heviny ny tsirairay. Hany ka atao izay hanangonana solika n’inona n’inona antony.

Ny mpandinika hafa aza milaza fa noho ny hatezeran’ny Vondrona mpanafatra solika no anton’izao, satria hanafatra solika mivantana ny fanjakana mba hamatsiana ny orinasa Jirama. Ny sasany koa manombatombana fa hisy olona hanokatra tobin-dasantsy vaovao eto.

Vous aimerez aussi