TETIKASA TANAMASOANDRO : Hivory hanakana ny mponina

Hivory, anio tolakandro, ireo solontenan’ny mponin’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina, izay voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro, mba hanakana izany amin’ny fomba rehetra.
Hisy, noho izany, ny fihaonan’ny solontena avy amin’ireo distrika efatra (Ambohidrapeto, Ankadimanga, Fiombonana ary Ambohitrimanjaka).

Ankoatra ny fanakanana ity tetikasa ity dia haneho ny porofo ireo solontena ireo fa tsy misy idiran’ny raharaha politika ny fanakanan’izy ireo ity tetikasa ity fa ho fiarovana ny taniny fotsiny ihany.

Zon’olombelona

Nanatona ny Filankevitra misahana ny zon’olombelona (na ny CNIDH) moa ireo solontenan’ny mponina ireo mba hakan-kevitra manoloana ity raharaha ity.
Anjara andraikitray tokoa izany, hoy ny filohan’ny CNIDH, Mireille Rabenoro, saingy mila fikarohana ny momba ity raharaha ity fa tsy hoe misy valiny avy hatrany.

Anisan’ny ilaina anefa, hoy ihany ity Ramatoa ity, ny fifanatonana fa tsy misy loatra ny hoe lahara-pahamehana. Koa mila jerena ny fomba mahomby indrindra mba hiarovana ny tombotsoam-bahoaka. Ny Fanjakana manana ny tetikasany ary ny vahoaka manana ny tombontsoa tiany arovana, ka ilaina ny fifampiraharahana.

Misy ny lalàna

Tsy ao anatin’ny asan’ny CNIDH, hoy hatrany ity filohany, ny manao fanelanelanana amin’ny raharaha tahaka izao, saingy vonona ny hanao izany ihany izy raha misy ny fangatahana hanao izany.
Tahaka ny raharaham-pitsarana no mety hiseho ka samy hitondra ny lalàna hiarovana ny zony avy na ny Fanjakana na ny vahoaka. Ho an’ity farany moa dia manan-jo amin’ny taniny sy ny fivelomany izy, ary ny Fanjakana koa dia manana ny didy hitsivolana amin’ny fakana ny toerana hanaovana tetikasa ho an’ny vahoaka.

Marina fa misy ny lalàna ary voalazan’ny Lalàmpanorenana ny hoe manan-danja ambonimbony tokoa noho ny lalàna eto an-toerana ny fifanarahana izay nankatoavina teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ara-potokevitra ihany koa anefa no tena misy izay. Na izany aza, efa misy ny famolavolana fifanarahana iraisam-pirenena ny momba ny tetikasa fitrandrahana goavana, izay atao amin’ireo tany an-dàlam-pandrosoana.

Vous aimerez aussi