« Hafa ihany i Bessa !». Io no hanompanana ny fampisehoana an-kira, sady fankasitrahana an’i Bessa, izay karakarain’ny Chorale Maintimolaly Ambohitantely (CMA), ny Zomà 25 oktobra ho avy izao, amin’ny 7 ora hariva, eny amin’ny Canal Olympia, village Voara.
Fankasitrahana
An’arivony ny hira noforonin’i Bessa saingy manodidina ny 20 eo ho eo kosa no ho re sy ho hitan’ireo mpankafy ny sangan’asany, amin’ity takariva ity. Halahatra amin’izany ny hiram-pivavahana sy hira fiderana an’Andriamanitra, izay tena talentany. Tsy adino koa anefa ny hira tsotra maro nampalaza azy.
Ankoatra ny CMA dia hifandimby hivetso ny hiran’i Bessa i Fanja Andriamanantena sy Njakatiana ary Inah. Notsongaina izy telo mianadahy ireo satria anisan’ireo mpanakanto voataiza tamin’ny « fiaraha-mihira » amin’i Bessa, ka manana ny ainga nifanojo tamin’ny azy na dia mbola tanora taty aoriana aza ny sasany.
Miavaka izy
Haharitra ora roa eo ho eo, araka izany, ny fampisehoana, izay inoana fa hampalai-misaraka ny mpihaino sy mpijery. Anisan’ny mpihira sy mpamoron-kira manana ny lazany loatra manko i Bessa ka sarobidy ny talentany. Sady indray koa, ny Quator Squad no hiangaly ny fitendrena ireo zavamaneno.
Marihina moa fa anisan’ny mpikambana voalohany teo anivon’ny CMA i Bessa ary marobe ny hira noforonina ho an’izany chorale izany. Ary tsy ny CMA ihany koa anefa fa fikambanana sy tanora maro no nivazo ny talentany, na teo amin’ny hiram-pivavahana izany na teo amin’ny hiran’izao tontolo izao. ‘Zay no mampiavaka azy. Hafa ihany tokoa i Bessa !

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

