Ny taxibe mitondra nomerao ankasa (tarehimarika azo zaraina 2) no hanomboka hiasa rahampitso. Ny tsy ankasa kosa dia ny alakamisy. Dia mifandimby toy izany hatrany.
Hanomboka amin’ny 5 ora maraina ny fitaterana ka hifarana amin’ny 3 ora tolakandro.
Fepetra vaovao izao noraisina izao noho ny fiainana andavanandro mbola ao anatin’ny « hamehana ara-pahasalamana », ka miroso amin’ny fiverenana tsikelikely.
Hanomboka hianatra ny mpianatra amin’ny kilasim-panadinana rahampitso ary hiasa koa ny ampahan’ny mpiasa.
Hanonitra
Manoloana ny fepetra noraisina dia heverina fa hisy ihany koa ny taxibe haka fepetra hafahafa ka hanana takelaka nomerao roa, ahazoany miasa isan’andro. Heveriny ho izany no hanonerana ny fahavoazana nianjady nandritra izay fihibohana izay. Mety ho maro, araka izany, ny taxibe hiasa ka hampiverina ny fitohanana.
Mety tsy ho izany koa anefa no hitranga fa raha misy kaoperativa iray manana fiara 10, ohatra, ka ny 2 amin’ireo ihany no nomerao ankasa dia hitranga ny fahasahiranana, satria hisy ny andro hahavitsy ny fiara fitaterana.
Hisy ny sazy
Tsy àry ho voasava ny taratasin’ireo fiara hiasa isan’andro kanefa kosa miandry azy ireo ny sazy fampidirana « fourrière » rehefa tsikaritra ny tsi-fanaraha-dalàna.
Anisan’ny hentitra indrindra amin’izany ny tsy tokony hampidiran’ny resevera ny mpandeha tsy misaron-tava.
Tsy maintsy asiana « gel » hanadiovan-tànana ihany koa ny mpandeha miditra ny fiara rehetra. Olon-tokana ihany no mipetraka eo anoloana, akaikin’ny mpamily,…
Ho an’ny ankapoben’ny fiara kosa dia tokony hisy hatrany ny fitsifirana ranom-panadiovana azy ireny.
Nanterin’ny tompon’andraikitra ihany koa fa tsy hisy fiovana akory ny saran-dàlana na dia ho vitsy aza ny mpandeha, satria tsy azo asiana olona eo amin’ny làlantsara. Tsy hisy koa ny mpandeha mitsangana.


