Kaoperativa miisa 25 amin’ireo 30, mpitatitra amin’iny làlampirenena faha-2 iny, no nanaiky ny fandaminan’ny Ministeran’ny Fitaterana ka nanaiky nifindra eny amin’ny fiantsonan’Andohatapenaka ny maraina teo.
Ireo sisa ambiny kosa dia handraisan’ny tompon’andraikitra fepetra raha mbola minia miziriziry amin’ny tsi-fanaharahan-dalàna sy tsy manaiky ny fepetran’ny fandaminana.
Ampy ny toerana
Araka ny fanambaran’ny tompon’andraikitra anefa dia ampy tsara ho an’ireo taksibrosy rehetra miasa amin’iny làlampirenena iny ny fiantsonana eny Andohatapenaka ary dia efa nisy sahady, ny maraina teo, ny fandraisan’ny sasany tamin’izy ireo fiaingana.
Tsy tokony hanahirana ireo mpandeha ihany koa ny mandray ireo fiara fitaterana eny an-toerana satria misy sy tsapa kokoa ny filaminana eny an-toerana, satria tsy tafiditr’ireo mpanera samihafa izay manakorontana ny sain’ny mpandeha.
Milamina
Tsy tia fandaminana satria efa zatran’ny gaboraraka ireo mbola mijanona eny Ambodivona, hoy ny tompon’andraikitra. Azo antoka kokoa anefa ny fandriampahalemana eny Andohatapenaka satria dia mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny « caméra » mpanara-maso ny zava-mitranga eny. Voaara-maso tsara ihany koa ny fiara sy ny fiaingan’izy ireo. Ary azo lazaina ho tomombana ny fahadiovana na eo amin’ny ara-tsakafo na ny tontolo manodidina. Eo ihany koa ny fisian’ itony fanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday itony, ny toeram-pivoahana sy fidiovana,….Ho an’ny mpamily aza dia voalaza fa nihena 40 % ny vola mivoaka amin’izy ireo noho ny tsy fisian’ny mpanera. Raha akapoka dia filaminana no hita eny Andohatapenaka.
Ho an’ireo mbola eny Ambodivona dia noho ny fisian’ny tsena akaiky sy ny fiantsonana tsy lavitra loatra no mahatamana ny sasany amin’izy ireo eny.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

