Mpanao gazety voasazy handoa lamandy 10 tapitrisa Ar : Nametraka ny raharaha eny amin’ny Fitsarana Ambony

Nametraka ny raharaha eo anivon’ny Fitsarana Ambony androany ireo mpanao gazety mianadahy nosazian’ny Fitsarana handoa lamandy 10 tapitrisa Ar isanisany, noho ny raharaha helikoptera tetsy Mahamasina.

Ny alatsinainy 16 septambra teo no natao ny fotoam-pitsarana raha ny alakamisy lasa teo kosa no nivoaka ny didy, ka nanomezan’ny Fitsarana izao sazy izao ny roa tamin’ireo mpanao gazety (Nadia Raonimanalina : Le Quotidien sy Rabearivony Mahery : 24 h mada) izao. Afaka noho ny fisalasalana kosa ny roa hafa, izay avy amin’ny « seraseran’ny CUA ».

Marihina moa fa noho ny famoaham-baovao tsy voamarina sy voalaza fa nanohitohina ny Tafika Malagasy, nandritra ny vanim-potoana mialoha ny fahatongavan’ny Papa iny no fototr’izao fitoriana izao ka nahatonga ity lamandy mihoampampana ity.

Vous aimerez aussi