TAFIKA MALAGASY : Nody mandry ny Jeneraly Rasolosoa Dolin

Nody mandry ny alin’ny zoma hifoha sabotsy 17 aprily 2021 teo ny Jeneraly Rasolosoa Dolin. Mpitantana ny faritany miaramila fahadimy RM5 teo aloha, ny taona 1994 hatramin’ny taona 1997 ny Jeneraly Rasolosoa Dolin no nitana ny andraikitrin’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy (CEMGAM).

Efa Talen’ny kabinetran’ny kaominin’Antananarivo renivohitra ihany koa ny tenany teo aloha. Jeneraly nisotro ronono nanomboka ny taona 1998, nitana ny toeran’ny Filohan’ny Conseil Supérieur de la Transition (CST) na ny Filankevitra Ambony ho an’ny tetezamita izy ny taona 2009 hatramin’ny taona 2014.

Nanomboka ny zoma 2 aprily 2021 izy no nanaraka fitsaboana teny amin’ny CHU Anosiala ary izao nindaosin’ny fahafatesana izao teo amin’ny faha 79 taonany.

Izahay eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia mirary fiononana feno hoan’ny fianakaviany.

Vous aimerez aussi