Toherin’ny mpampianatra sy ireo mpanabe ao amin’ny distrikan’i Tsihombe, ny sefo Cisco izay voalaza fa manararao-pahefana ao an-toerana. Nambaran’ireo mpampianatra, fa nisy naman’izy ireo no nesorin’io sefo Cisco io tamin’ny toerany, tsy nisy fahadisoana. Teo koa ny tsy fahaiza-mitantana nataon’io sefo Cisco io. Araka ny fanazavana voaray, dia nitaky vola tamin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra ity sefo Cisco ity, nefa tsy mazava ny antony nampiasainy io vola io. Noho izany, takian’ireo mpampianatra sy mpanabe ireo ny fanesorana azy. Misy amin’ireo mpampianatra nalàna tamin’ny toerany ireo mantsy no lasa sefo fokontany amin’izao fotoana izao, ka naneho ny alahelony izy ireo.

