Tapitra anio 15 janoary ny antso avo nataon’ireo mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny Seces sampana Antananarivo, hamahana ny olana misy eo amin’izy ireo.
Ny Filoham-pirenena mihitsy moa no nanaovan’izy ireo antso hamaha ity olana mianjady aminy ity, mba ahazoana mametraka ny fampianarana ambony amin’ny toerana sahaza.
Nasian’izy ireo teny ihany koa ny amin’ny tokony hanoloana tsy misy hatak’andro ireo tompon’andraikitra ambony tsy nahatanteraka ny andraikiny.
Nanterin’ireo mpampianatra fa « Raha mitohy ny tsy famahana izao olana izao dia hiteraka olana tsy ho an’ny Oniversite manerana ny nosy ihany fa ho an’ny firenena manontolo ! »
Miantso an’efitra
Hatreto anefa tsy mbola misy valiny ny fangatahana sy fitakiana ataon’ireo mpampianatra. Heverina fa hitohy ary hihamafy izany ny fitokonana ataon’ireto mpanabe ireto.
Hitohy ihany koa ny fiatoana eo amin’ny fampianarana ka hivezivezy indray ny mpianatra.
Ho an’ny mpianatra eny anivon’ny lisea teknika moa dia efa nanao hetsika an-dàlambe izy ireo hitakiana ny hiverenan’ny fampianarana noho ny fikatsoana vokatry ny « panier garni ».
Izao dia ny fampianarana ambony indray no mitaky ny tambin-karamany samihafa.
Mila fahatsiarovan-tena avy amin’ny rehetra ihany ny famahana izao olana izao raha ny tena fampandrosoana no dradradradraina eto amin’ity firenena ity.


