Ataoko ahoana ny fitiavako ? Izany no lohahevitra hanompanan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (na ny FJKM) ny valandresaka karakarainy, manoloana ny fahatsiarovana ny fetin’ny mpifankatia na ny Saint-Valentin.
Anio 10 febroary ka hatramin’ny 14 febroary no hanatanterahana izany, etsy amin’ny FJKM Katedraly Analakely, isaky ny amin’ny 12 ora antoandro. Ary eny amin’ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga kosa ny 15 febroary.
Fifankatiavana araka ny sitrapon’Andriamanitra
Hararaotina ny tranga mba hitarihana ny mpiara-belona hieritreritra ny lanjan’ny fiainam-pianakaviana ka hananana fiainana vavona eo amin’ny fifankatiavana araka ny sitrapon’Andriamanitra, hoy ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi.
Mba tsy ho sehatra anjakan’ny ratsy ny tontolon’ ny fanambadiana sy ny tokantrano satria fahasambarana no kendren’Andriamanitra amin’ny tokantrano, satria fitahiana no tian’Andriamanitra omena amin’ny alalan’ny fitiavana, hoy hatrany izy.
Entanina ny rehetra
Tsy ny tanora ihany fa ny rehetra mihitsy no entanina amin’izao valan-dresaka karakarain’ny FJKM izao. Koa antsoina ny rehetra mba hiombon-tsaina amin’izany fitiavana araka an’Andriamanitra izany.
Sarobidy tokoa manko ny ahafahana mivelona indray amin’izay ambaran’ny tenin’Andriamanitra ny amin’ny fiainam-pitiavana sy ny fiainan-tokantrano izany.
Ho tonga indray ity ny Saint Valéntin ka aza araraotina amin’ny ratsy ny fahasambarana tian’Andriamanitra omena anao ao anatin’ny fitiavana.


