Rahampitso zomà no ho tonga eto an-tanindrazana ny nofo mangatsiakan’i Sabine Rakotozafy, mpanao gazety teo anivon’ny radiom-pirenena malagasy.
Nodimandry ny 06 desambra lasa teo tany Frantsa izy, teo amin’ny faha-72 taonany.
Ny alahady ho avy izao no hanaovana ny fandevenana azy eny amin’ny fasan-drazany, eny Anosiala Ambohidratrino, aorian’ny fanaovam-beloma farany azy etsy amin’ny Fiangonana EKAR Ankadivato Antananarivo.
Niavaka izy
Nanana ny maha-izy azy manokana teo amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao i Sabine Rakotozafy, teo amin’ny taona 70 ka hatramin’ny 90, izay nialany teto an-tanindrazana ka nanaovany fikarohana tahirin-kevitra tany ivelany.
Nanana feo miavaka loatra i Sabine, saingy tsy nentiny tamin’ny kitakita na fitsikerana be fahatany izany, fa nanolorany ny vaovao araka ny zava-misy. Hain’ny feony ny malahelo raha misy ny fahoriana. Voalantony ny tsiky rehefa tojo hafaliana. Hainy ny manazava rehefa misy fahasarotana,…
Izahay eto amin’ny Agence Malagasy de Presse dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.


