Herinandro maty. Io no ilazan’ny mpampianatra mpikaroka ny herinandro hanaovan’izy ireo fitokonana ka hikatonan’ny oniversite rehetra manerana ny nosy. Hanomboka ny alatsinainy 16 ka hatramin’ny zomà 20 desambra ho avy izao izany.
Izao hetsika izao no hatao dia noho ny tsy famalian’ny fanjakana ny fangatahan’izy ireo izay efa nandrasana an-taonany, hoy ny sendikan’ny SECES. Fangatahana ny vola sandan’ny ora fanampiny, ny saram-pikarohana,…izay mitontaly 307 miliara ar.
Tsy hanao fidinana an-dàlambe, araka izany, ny mpitokona fa naka izao fepetra fanakatonana ny oniversite izao.
Miteraka fifandonana
Fepetra izay tsy itovizan’ny maro, satria misy ireo mpianatra tokony hanao fanadinana ny 16 desambra ho avy izao kanefa voasakan’ny tsy fitovian-kevitra izany ka niteraka lonilony teo amin’ny samy mpianatra. Hany ka nisy ny fifandonana teo amin’izy ireo, toy ny niseho tao Fianarantsoa, ka nahapotehana fitaovana sy zavatra maro.
Nanterin’ny filohan’ny sendikà fa tsy miankina velively amin’ny mpitantana ny oniversite, izay voafidy tamin’ny isam-bato mavesatra izao fitakian’ny SECES Antananarivo izao.
Ny hoavin’ny mpianatra
Tsy mbola nisy taona iray tena nilamina teny anivon’ny ambaratonga ambony teny taorian’ny taona 72. Mihalalina hatrany ny olana mitranga eny ankehitriny ka zary maniry ohatran’ny anana, hoy ny fitenenana, ny oniversite tsy miankina.
Tsy ho tafiditra amin’ireny avokoa anefa ireto lazaina fa hoavin’ny firenena ireto. Ny zanaky ny mpitondra ambony moa afaka mandranto ny fianarany any am-pita any avokoa. Mba ho aiza àry izany ny zanaky ny tsy manan-katao nefa mba te-ho tafita ?


