RIVODOZA BELNA : Ho levona nefa namela takaitra

Olona roa no maty ary telo tsy hita popoka. Rava tafo kosa ny 80%-n’ny trano tao Soalala ka maro ireo traboina. Ireo no tombam-pahavoazana voalohany tsikaritra, nandritra ny fidiran’ny rivodoza Belna tany amin’ny faritra andrefan’ny Nosy iny.

Ny tao Mahajanga  kosa dia miisa 172 no traboina, avy amin’ny trano 69 rava. Ny  120 amin’ireo dia ankizy latsaky ny 5 taona avokoa, 22 ny olon-dehibe, 3 vevihavy bevohoka, 16 beantitra.

Ho levona rahampitso

Tany amin’ny distrikan’i Maintirano ity rivodoza Belna ity ny maraina teo ary mikisaka mianatsimo ka efa malefaka ny heriny satria 16 Km isan’ora ny hafainganam-pandehany. Na izany aza, mbola ahitana orana hatrany ny faritra sasany na dia mihena aza ny rivotra. Mbola ahiana, araka izany, ny tondra-drano ka mila mailo ny mponina rehetra ary hankato ny baikon’ny manam-pahefana any an-toerana.

Heverina ho levona tanteraka any amin’ny faritra atsimo andrefana kosa ity rivodoza ity rahampitso maraina, satria efa tsy rivodoza intsony ny ilazana azy ankehitriny, hoy ny teknisiana fa andro ratsy.

Nisy ny fanampiana

Manoloana ny voina tahaka izao dia efa tonga nijery ny fahavoazana tao Soalala ny solontenam-panjakana notarihan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nisy avy hatrany ny fanampiana fototra nentina nanampiana ireo vahoaka traboina any an-toerana.

Vous aimerez aussi