Tontosa soa aman-tsara, teny Antsahamanitra, ny alahady 31 Aaogositra 2025, ny « Revy Njila 100% », izay nanasongadinana ilay fampisehoana goavana niarahana tamin’i Njila. Fampisehoana goavana izay nampiarahany feo tamin’i Poopy sy i Mahery. Naharitra ora telo teo ho eo ny fampisehoana izay nezahana nivazoina ireo hira nahafantarana an’i Njila hatramin’izay ka hatramin’izao. Ireo hira ireo izay nofohazina indray mba ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy hatramin’izay ka hatramin’izao.
Mba ho fanomezana sehatra ihany koa ireo tanoran’ny ankehitriny hahatsapa ny hatsaran’ny kanto voizin’ny mpanakanto Njila. Ireo hiran’ny mpanakanton’ny omaly ireo izay tsy mety lefy laza mihitsy amin’izao fotoana izao. Antony mahatonga ny “Natura Production” nikarakara ity “Revy Njila 100%” ity mba hamohazana indray izany talentan’ny andrarezin’ny sehatry ny kanto izany na tsy re firy intsony aza izy ireo ankehitriny.
Nalai-nisaraka na ny mpanakanto na ny mpankafy satria tena nanolotra ny soa sy ny tsara avy any aminy ny roa tonta. Samy afa-po avokoa araka izany izay rehetra tonga nanatrika ny fampisehoana. Teny amin’ny “Super Music” Analakely no nanjifana ny tapakilan’ny « Revy Njila 100% ». Nisokajy telo izany izay nojifaina tamin’ny sarany Ar 10. 000 ka hatramin’ny Ar 60.000, araka ny fanazavan’ny filoha mpamorona ny “Natura Production” izay sady tomponandraikitra mpikarakara, ny « Revy Njila 100% », Ramelina Haritiana.


