Hanehoana ny tantara isam-poko eto Madagasikara, fanehoana ny fanao ary fampahafantarana ny laha-bolana isam-paritra. Ireo no vontoatin’ny fampirantiana, izay nosokafana io maraina io, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena, ary karakarain’ny Foibem-pitondrana misahana ny maha-izy ara-kolontsaina.
Anisan’ny voizina amin’izao fampirantiana izao ny fisian’ny fahasamihafana kanefa ahafahana mifandray, satria heverina ho harena sy tanjaka izany, ary ahazoana mihoitra amin’ny fiainana ankehitriny.
Misy ny karazana tranoheva amin’izao fampirantiana izao, izay ahazoana mahalala ny amin’ny isam-paritra, ka ahazoan’ny mpitsidika toro-hay amin’ny fitenim-paritra isanisany.
Raha akapoka dia ny fifampizarana no zava-dehibe amin’izao fampirantiana izao ka misy ny velan-kevitra mandritra ny 3 andron’ny fampirantiana. Loha-hevitra samihafa manodidina ny tenim-paritra moa no hisongadina. Anisan’izany, ohatra ny amin’ny fitenim-paritra ao anaty fandaharam-pianarana, ny tenim-paritra fototry ny fandrosoana, ny fitenim-paritra amin’izao vanim-potoana izao,…

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

