120 tapitrisa ariary ho an’ny mpiandraikitra ny solika (na ny Logistique pétrolière LPSA) ary 60 tapitrisa ariary avy kosa ho an’ny Total sy ny Shell. Ireo no sazy avy amin’ny Fanjakana, izay nianjady tamin’ireo tompon’andraikitry ny solika, noho ny savorovoro nitranga teto an-andrenivohitra, ny herinandro lasa iny.
Nisy ny tandrevaka
Nanterin’ny tompon’andraikitra sy ny Ofisy Malagasy misahana ny solika sy akoranafo (na ny OMH) manko fa ampy ho an’ny mpanjifa tokoa ny tahirin-tsolika amin’izao fotoana. Efa nisy ny fepetra noraisin’ny Fanjakana, izay niarahana tamin’ireo mpandraharaha ara-tsolika, fa tokony ho misy ny tahirin-tsolika maharitra 21 andro, araka ny voarakitra amin’ny bokin’andraikitra.
Tokony hisy ihany koa ny fampitomboana ny sambo mitatitra ny solika amin’ny sisin-tanin’i Madagasikara. Noho ny fanadihadiana natao anefa dia tsikaritra ireo tandrevaka nataon’ny vondrona mpandraharaha ara-tsolika, ka dia izao niafara tamin’ny sazy izao.
Diso aoriana ny sazy
Ny faran’ny herinandro lasa iny no efa fantatra ny fahadisoan’ireo kaompania roa sy ny LPSA, nandritra ny fihaonany tamin’ny Filoham-pirenena, kanefa ny alatsinainy vao nilatsaka ny sazy ho azy ireo. Mbola nodinihana ve, araka izany, ny tokony na tsia ny nanomezana sazy ho azy ireo ?
Mety hisy fiantraikany amin’ireo kaompania voasazy ve izao fihetsiky ny Fanjakana izao ?
Ny fantatra aloha dia zava-dehibe eo amin’ny fiainam-bahoaka tokoa ity resaka solika ity, satria nandritra ireny no nanaovana ny fanadinana bakalorea fihodinana faharoa. Iankinan’ny vidim-piainana efa miha-midangana ihany koa ity solika ity ary volabe tokoa no very ho an’ny vahoaka tokony hamokatra kanefa lany andro milahatra.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

