Miisa 19 indray izao ny olona notanana am-ponja noho ny raharaha bakalorea, nisian’ny fivoahan’ny laza adina mialoha. 59 kosa no isan’ireo nosamborina, ary 7 no arahi-maso akaiky. Izany indray no tatitra avy amin’ny zandarimaria, izay nambaran’ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoharisoa.
Midika izao fa tsy mbola mitsahatra tanteraka akory ny fanadihadiana manoloana iny raharaha bakalorea 2019 iny.
Anisan’ireo vao nosamborina tamin’ity raharaha ity manko ireo mpikirakira solosaina sy ny mpandrindra ankapobeny, izay miisa 11 satria tompon’antoka tamin’ny fitokana-monina nanao ny laza adina.
Tsy mbola fantatra kosa ny amin’ireo tompon’andraikitra nanao ny fanontana ireo laza adina, izay hita niparitaka hatrany amin’ny Facebook.
Efa nisy
Nambaran’ny teo anivon’ny zandarimaria ihany fa toe-javatra efa niseho ny fivoahan’ny laza adina tahaka izao, toy ny tamin’ny 2014 sy 2017, saingy ny tamin’ity no tena niparitaka loatra ka nandray ny andraikiny ny Fitondrana.
Hisy moa ny fihodinana faharoa amin’ity fanadinana ity, izay hatao manomboka ny 23 oktobra ho avy izao. Ary dia efa mandeha ihany koa ny feo fitakiana fa tsy hanaiky ny mpianatra mpiadina eo amin’ny sokajy teknika raha tsy mba hisy « 2ème session » ihany koa ny azy ireo.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

