14 OKTOBRA 2019 : 61 taona ny naha-Repoblika an’i Madagasikara

Mitsingerina anio ny faha-61 taona naha-Repoblika an’i Madagasikara. Tsingerintaona ahatsiarovana ny ady lehibe niadiana ho amin’ny fahaleovantenan’ity Nosy ity.
Nahazo Lalàmpanorenana vaovao ka lasa Repoblika i Madagasikara ny taona 1958, izay notarihin’ny Filoha Philibert Tsiranana.

Hisy, noho izany, ny fanamarihana izany tsingerintaona faha-61 izany, amin’ny alalan’ny fitsidihana ny lapan’ny Praiminisitra eny Andafiavaratra. Avy eo hisy ny fitsidihana ny mozean-tsarin’i Madagasikara eny Andohalo. Hofaranana amin’ny kaonferansa arahina adihevitra momba ny toeran’ny fahefana ara-drazana ao anatin’ny rafitra repoblikana izany.

Vous aimerez aussi