“Confect H’art” Orinasa najoron-dRamatoa Randriamampianina Miora, nanomboka ny taona sivy ambiny folo sy roa arivo. Misehatra manontolo amin’ny famokarana ireo akanjo fitondra miasa (Tenue de travail) sy ny fametrahana ireo sary na soratra (Personnalisation) mampiavaka ireo Orinasa, fikambanana, antoko mpihira na politika… amin’ireo karazan’akanjo toy ny t-shirts, gilet, casquette, polo, fanion … ity Orinasa zato isan-jato Malagasy ity.
Catégorie : Samihafa
MBA HO FANKALAZANA NY FETIN’NY KRISMASY SY NY FARANY TAONA : Vokatra vaovao miisa telo no natolotry ny STAR
Amin’ny alalan’ny fanoloran’ny orinasa STAR ireo vokatra vaovaony no hanakaikezany hatrany ireo mpanjifany. Fanolorana vokatra vaovao izay sady tsara kalitao no amin’ny vidiny mirary. Amin’izao vanim-potoana hanamarihana ny fetin’ny krismasy sy ny fetin’ny farany taona izao, ny orinasa STAR dia manasa ny mpanjifa hiara-hankalaza izany ao anatin’ny hamamiana. Vokatra vaovao atolotry ny orinasa ny mpanjifa araka izany ny “VALMONT” sy ny “CAPRICE NOËL” ary ny “THB NOËL”.
SEHATRY NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA : Maro ireo tanora malagasy no liana
Ny voka-pikarohan’ny “Office National de l’Emploi et de la Formation” na ny ONEF izay manana ny foiben-toerany eny Ampefiloha no nahafantarana fa ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no tena mahasarika ny tanora ankehitriny. Manaporofo izany ny fanadihadiana notontosain’ity Sampandraharaha ity tamin’ireo Faritra miisa 3 eto Madagasikara.
FITANTANANA NY TANDINDON-DOZA SY NY LOZA VOAJANAHARY : Misy ny dinikasa eo amin'ireo firenena mivondrona ao amin'ny Vondrona SADC
Anisan’ireo firenena efa lasa lavitra Madagasika raha oharina amin’ireo firenena hafa izay mpikambana miaraka amintsika mandrafitra ny Vondrona SADC raha ny eo amin’ny Fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza voajanahary no resahana. Anton’ilay fifampizarana fahaiza-manao tanterahana eny amin’ny Novotel Alarobia nanomboka ny talata 25 novambra 2025.
TANÀNA AMBANY : Misy Ben’ny tanàna ve eto ?
Orambe omaly, ary betsaka ny rano niparitaka noho ny tatatra tsentsina tety ambany tanàna. Tsy mbola nisy hoatran’izany ny zava-nitranga, rano sy fako miavosa. Mipetraka ny fanontaniana: “Misy ben’ny tanàna ve?” Mijaly ny mponina ary tena sahirana fa tokony tsy hisy intsony ireny tatatra tsentsina ireny.
FAMINDRANA NY FIANTSONAN'NY ZOTRA E "KOLOINA" TSIAZOTAFO : Tsy laharam-pahamehana ?
Tsy laharam-pahamehana sy tsy maika ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tokony tokoa angamba ny hamindrana ny toeram-piantsonana ho an’ny Zotra E “KOLOINA” etsy Tsiazotafo, noho izy ireo tsy mampiasa ny fiara iombonana.
ONG NYFMO NY FANAHY MAHA-OLONA : Hanolo-tanana ireo vonona handrafitra ny Tohivakan-toekarena eto Madagasikara
Manoloana ny olana ateraky ny tsy fisian’ny asa eo amin’ny Tanora Malagasy manerana ny Nosy indrindra fa ireo Tanora Manam-pahaizana nahavita fianarana dia nitondra vahaolana momba izany ny filohan’ny “ONG NYFMO NY FANAHY MAHA-OLONA”, Rafalimanana Ny Rado.
PFNOSCM/VOHIFIRAISANA : Manao antso avo amin’ny fanarenana ifotony tsy mivadika ka handraisan’ny sokajin-kery rehetra anjara
Izahay, mpikambana ato amin’ny PFNOSCM/VOHIFIRAISANA dia maneho etoana ny fanohanana amin’ny herinay manontolo ny tolona izay notarihan’ireo tanora malagasy. Ny fahasahiana sy ny fahavonana nasehoan’ireo generation Z izay nitarika tamin’ny firodanan’ny fanjakana teo aloha, dia namaky batsilana ihany koa ny tsy fanajana ny zo fototra, ireo tsy fanarahadalana, miaro fanararaotam-pahefana ary ny tsindrio fa lavo nahazo ny vahoaka malagasy mpiray tanindrazana niainan’izy ireo nandritra ny taona maro izay.
SAMPATI FJKM SOANIERANA - 65 TAONA : Ho marolafy ireo hetsika fankalazana
Mandia ny faha dimy ambiny enimpolo taona nitaizana sy nanabeazana ireo zanaky ny Fiangonana eo anivon’ny FJKM Soanierana amin’ity taona ity ny Sampana mpanazava sy tily “Salohy faha-enina”.
FIKAMBANAN'NY BEN'NY TANÀNA MANERANA NY NOSY : Entina hanampiana ireo Ben'ny tanàna...
Tanjon’ireo Ben’ny tanàna mivondrona ao anatin’ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna manerana ny Nosy izay tarihin’ny filohany Ramparaoelina Rado, Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano, faritra Analamanga, ny hanala sahirana, ireo Ben’ny tanàna manoloana ny olana mianjady amin’izy ireo.
