“Gospel vibe Christmas”, rindran-kira hampiainana ny tontolo manodidina ny andro krismasy na ny nahaterahan’ilay Zanak’Andriamanitra tonga Olombelona ho famonjena izao Tontolo izao.
Catégorie : Samihafa
FIKAONAN-DOHAM-PIRENENA : Nanotrona izany ny Pasitera Mailhol
Tonga nifandinika satria nahazo fanasana niatrika ny Fikaonan-doham- pirenena, teny amin’ny CCI Ivato, ny Alarobia, 10 Desambra 2025, ny Pasteur MAILHOL Filohan’ny Fiangonana Apokalypsy Manerantany no sady Filohan’ny Antoko GFFM Gideona Fandresena ny Fahantrana eto Madagasikara. Fotoana nametrahana ny “charte de la transition”.
SEKOLY AMBONY ISPM ENY ANTSOBOLO : Namoaka tanora mpianatra miisa 350
Tanora mpianatra miisa 350 no navoakan’ny Sekoly Ambony “Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar” na ny ISPM eny Antsobolo, ny zoma 4 desambra 2025. Diplaomam-panjakana “Licence” sy “Master I” ary “Master II” no natolotra azy ireo tamin’izany. Ireo lalam-piofanana miisa 5 no namoahana ireo mpianatra ireo.
Vaovao momba ny Nosy Sakatia sy dinidinika mahakasika ny RFT
Navoitra tamin’ny fanambaran’ny Collectif TANY farany ny fiandrandran’ny maro an’isa ny hanatanterahan’ny mpitondra fanjakàna vaovao marina ny fanambaran’Andriamatoa Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany taminy faha-30 oktobra 2025 fa ho averina amin’ny mponina any ifotony ny taniny, indrindra fa ireo any amin’ny nosy kely any avaratr’i Madagasikara izay voatonona manokana. Marina fa vao iray volana izay no lasa. Aleo anefa miresaka sy misoroka mialoha izay tsapa fa manahirana. Misy mitanisa ho anisan’ny sakana amin’izany ny RFT (Réserve Foncière Touristique) sy ny Banky Iraisam-pirenena (Banque Mondiale). Ka ndao halalinina be be kokoa.
FIATREHANA NY FOTOAM-PAHAVARATRA : Efa mivonona amin'izany ny eny Bemasoandro
Mba hiatrehan’ny kaominina Bemasoandro Itaosy ny fotoam-pahavaratra ankehitriny dia hividy kodiarana fiara efa niasa ny kaominina. Handray an-tanana ihany koa ireo avy any amin’ny malala-tanana. Tanjona ny hisorohana ny tondra-drano eny an-toerana. Iny kodiarana fiara efa niasa iny no hanamboarana tetezana mba hahafahan’ny mponina miampita amin’ny toerana iray.
ORINASA AFAKA HABA AMBOHIMANGAKELY : Miteraka fofona maimbo ho an'ireo Mponina sy tohamboivoy goavana isanandro
Fofona maimbo mila hanempotra isanandro vaky no iainan’ireo Mponina sy ireo sendra mandalo manodidina ny Orinasa afaka haba misehatra amin’ny lafiny fanjairana akanjo. Ity farany izay miorina manamorona ny lalam-pirenena faharoa sahabo ho iray kilometatra tsy hidirana ny Tananan’Ambohimangakely. Tandindomin-doza ny fahasalamanay, hoy, ity Mponina iray nitafa fohy taminay teny an-toerana noho ny fahalotoan’ny rivotra iainana isanandro.
ANTANANARIVO RENIVOHITRA : Manjaka tanteraka ny gaboraraka
Fako miavosa, sisin-dalana feno mpivarotra, fitohanan’ny fifamoivoizana tsy hita noanoa noho ny gaboraraka eo amin’ny tsy fampiharana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, sns. Ireo no ampahany amin’ny fisian’ny gaboraraka eto amin’ny Renivohitry Madagasikara. Nankaiza ny Ben’ny Tanàna sy ireo tomponandraikitra rehetra ?
MPIKAMBANA AO AMIN'NY CENI : Tafaverina indray Rakotonarivo Thierry
Tafaverina ho mpikambana indray ao amin’ny CENI, Rakotonarivo Thierry. Tontosa soa aman-tsara teny amin’ny Fitsarana tampony teny Anosy, ny talata 2 desambra 2025, ny fihanihanan’ity mpikambana vaovao ity. Fihanihanana amin’ny maha filoha lefitra faharoa azy eo anivon’ny birao maharitra vaovao.
SENDIKAN'NY MPIASAN'NY ORINASA "MADARAIL" : Hanatanteraka fitokonana
Manomboka ny 4 desambra hatramin’ny 6 desambra 2025 dia hanatanteraka fitokonana ihany koa ny sendikan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa “Madarail”. Nametraka ny 72 ora izay fanajana ny lalàna momba izany fitokonana izany ny sendika. Anton’izao fitokonana izao ny fahatsapan’ireo mpiasa fa tsy mangarahara ny fitantanana ao amin’ity orinasa ity hatramin’ny nanaovana ny orinasa ho “mise en concession”.
DR TSIALEFISON BERTIN : Kandida any amin'ny faritra Fitovinany
Anisan’ireo kandida nirotsaka ho fidiana ho Governoran’ny Faritra Fitovinany ny Dr Tsialefison Bertin. Izy izay nahafeno fepetra ka nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Minisiteran’ny Atitany eny Anosy. Vonona ny hitondra anjara biriky any amin’ny faritra nihaviany araka izany ny Dr Tsialefison Bertin.
