Natokana handraisana ny fitarainan’ny olona manana ahiahy amin’ny fitondrana ny valan’aretina covid19 ny Village Voara Andohatapenaka.
Catégorie : Samihafa
CORONAVIRUS : 2 no maty, 48 no marary gravy
Miisa 2 indray ireo lavon’ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy androany. Araka izany dia mitontaly 20 ny isan’ireo namoy aina hatrizay.
CORONAVIRUS : Namoy ny ainy ny « Assistant parlementaire » iray
Olona roa indray no lavon’ny valanaretina coronavirus, voalaza tamim-pomba ofisialy androany. Samy tao Toamasina avokoa izy ireo, ka ny iray « assistant parlementaire »-n’ny Depiote voafidy tao Brickaville ary efa Ben’ny Tanàna teo aloha.
TOBIM-PIANTSONANA FASANKARANA : Nodiovina androany
Notanterahana tamin’ity andron’ny sabotsy 27 jona ity ny asa fanadiovana faobe ny tobim-piantsonan’ireo fiara misahana ny zotra rezionaly sy nasionaly, etsy amin’ny fasankarana.
RADIO DON BOSCO : Feno 24 taona androany
24 taona katroka anio sabotsy 27 jona no nijoroan’ny onjam-peo Radio Don Bosco, raisina eo amin’ny maridrefy 93.4 FM, manana ny foiben-toerany eny Ivato. Fampielezam-peo miankina amin’ny finoana katolika. Manome lanja manokana ny lafiny fanabeazana ara-batana, ara-panahy ary ara-tsaina ny onjam-peo.
CORONAVIRUS : Tsy mitsaha-mitombo ny voany
83 no voatily ho voan’ny aretina coronavirus androany. Ny 74 tamin’izy ireo dia teto Analamanga avokoa, 4 Vakinankaratra, 2 Fenoarivo Atsinanana, 1 Moramanga,…. Mahatratra 2 005 izany ny isan’ny voa hatrizay ?
VOKA-DRATSIN’NY CORONAVIRUS : Latsa-bidy ny ankamaroan’ireo voly fanondrana
Vokatry ny fisian’ny valan’aretina coronavirus dia tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny voly fanondrana amin’izao fotoana izao. Raha ny any Nosy be fotsiny dia mahatratra hatrany amin’ny 70% ny fihenan’ny vidin’ny Ylang Ylang sy ny lavanila.
FITATERANA : Taksia 100 no efa nahazo ilay “Licence” nomerika
Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro teo ny fanaovana fahazoan-dalana na “Licence” nomerika ho an’ny mpitondra fiara karetsaka na taksia eto Antananarivo renivohitra.
CORONAVIRUS : 93 ny tranga vaovao, 39 no sitrana
93 ny isan’ny tranga vaovao voatily tamin’ity andro ity, tamin’ny fitiliana miisa 286. Anisan’ny nisian’izany teto Antananarivo, Toamasina, Sainte Marie, Fenoarivo Atsinanana,… izay tsy voasoritra mazava ny toerana nisy. Miisa 1922 izany totalin’ireo voa hatrizay.
CORONAVIRUS : 44 no sitrana, 42 ny tranga vaovao
Miisa 207 indray ny fitiliana vita tamin’ity anio ity ka nahitana tranga 42 vaovao indray. Ny 37 tamin’izy ireo dia eto Antananarivo, ny 3 tao Sainte Marie ary ny 2 Fenoarivo Atsinanana. 1 829 izany ny isan’ireo rehetra voa teto amintsika.
