CORONAVIRUS : 44 no sitrana, 42 ny tranga vaovao

Miisa 207 indray ny fitiliana vita tamin’ity anio ity ka nahitana tranga 42 vaovao indray.

Ny 37 tamin’izy ireo dia eto Antananarivo, ny 3 tao Sainte Marie ary ny 2 Fenoarivo Atsinanana. 1 829 izany ny isan’ireo rehetra voa teto amintsika.

44 kosa ny isan’ireo sitrana, ka 41 tao Toamasina ary 3 teto Antananarivo.823 izany ireo sitrana hatrizay.

991 kosa ireo mbola tsaboina ka 26 ireo manana fahasemporana.

Mijanona ho 16 kosa ny isan’ireo maty hatrizay.

19 757 kosa ny tontalin’ireo fitiliana vita hatrizay.

Mbola vitsy ny fitiliana

Mbola manodidina ny 200 hatrany hatreto ny isan’ny fitiliana atao isan’andro na dia efa miasa aza ny laboratoara vaovao, izay hanenjehina isa hatramin’ny 1 000 isan’andro.

Manahy ny mety tsy fahampian’ny fandriana ve ny Fanjakana sa inona no hitstsitsitsiana ny fitiliana ? N’inona n’inona anefa ezaka hiatrehana ity valanaretina ity dia tsy maintsy ny isan’ny fitiliana ihany no vaha-olana farany ahitana ny mitondra na tsia ny valanaretina.

Ny fahataran’ny fitiliana no mainka mampihanaka ny aretina ka hifamindra an-toerana eto isika mianakavy.

Ilaina hatrany anefa ny fepetra fiarovana amin’ny sarontava sy ny elanelana iray metatra mba tsy hisian’ny fifindrana haingana. Loatra.

Vous aimerez aussi