Nanomboka io maraina io, eny amin’ny CCI Ivato ny fakan-kevitra momba ireo Nosy malagasy, izay notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, sady Minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo-toerana.
Ny tanjona dia ny hisian’ny fiaraha-mientan’ny vahoaka Malagasy ny amin’ny maha-zava-dehibe ny fiandrianam-pirenena, ka ahazoana mitaky ireo nosy manodidina antsika ireo.
Efa nisy, noho izany, ny fanentanana ny amin’ny fahazoana manangona ny antotan-kevitra, ny tantara, ny ara-jeografika, ny araka ny lalàna, ny ara-potokevitra,… momba ireo nosy ireo, mba hentina ho fitaovana hanaovana ny dingana rehetra ahazoana azy ireo.
Nasaina ny rehetra
Nasaina hanatrika ity fihaonana ity moa ny Malagasy tsy ankanavaka, indrindra ireo nandray anjara tamin’ny famenoana ny antotan-kevitra teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny. Eo ihany koa ireo tompon’andraikitra isam-paritra izay misy solontena roa avy, ankoatra ny Faritra Diana, Boeny, Melaky, Menabe ary Atsimo Andrefana, izay nanana solontena telo, noho izy ireo manakaiky ireo nosy malagasy akaikin’ny ranomasimbe indiana.
Marihina moa fa ireo hevitra rehetra voaangona mandritra ireo telo andro ireo dia havondrona ho iray ary hatolotra ny Filohan’ny Repoblika.
Nanomboka tamin’ny 8 ora maraina ka hifarana amin’ny 4 ora tolakandro kosa ny fihaonana.
Nizara efatra
Nizara efatra lehibe moa ny fandaminana amin’izao fakan-kevitra izao :
– Ny mikasika ny fiveloman’ny Malagasy amin’ireo nosy ireo, ny famoronana asa, ny fanjonoana nentim-pahazarana sy ara-indostrialy sy ny fanodinana ny hazan-drano ary ny fiompiana an-dranomasina,…
– Ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny zava-boahary, ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fiomanana amin’izany,…
– Ny fandriampahalemana : ny fiarovana ny sisintany sy ny fari-dranomasina rehetra, ny fiaraha-miasa amin’ireo nosy manodidina hafa,…
– Ny fiandrianam-pirenena : ny fifandraisana iraisam-pirenena ary ny jeopolitika.
Mba ho an’ny rehetra
Mikaon-doha amin’izao fitakiana ireo nosy manodidina ireo ny Malagasy rehetra na dia solontena ihany aza no afaka miatrika izany.
Voalaza fa harena maro dia maro no misy ao amin’ireo nosy nodongian’ny frantsay nandritra ny 60 taona. Koa mba tena hanana anjara fahasoavana amin’ireo harena ireo ve ny Malagasy sa natao ho mpitaky fotsiny ihany ?


Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

