NAINA ANDRIANTSITOHAINA : Ben’ny tanàna vonjimaika

Naina Andriantsitohaina, kandidà avy amin’ny Fitondrana, no lany ho Ben’ny Tanànan’Antananarivo renivohitra, araka ny valim-pifidianana vonjimaika nambaran’ny Birao mahaleotena misahana ny fifidianana (na ny CENI), io maraina io.

Araka ny tombana nisy hatrizay dia tsy hisy fiovana firy amin’ny vokatra ofisialy izao vokatra vonjimaika izao na dia eo aza ny fitarainana sy fitoriana nataon’ny maro mikasika ny fifidianana natao teto hatrizay. Afaka mihoby, araka izany, ity kandidàm-panjakana ity, satria izy rahateo no efa nanaovan’ny fitondrana ezaka ho amin’ny fahalaniana hitantana ity renivohitra ity.
Nahazo vato 81.351 i Naina Andriantsitohaina, 75.425 ny an’i Ny Rina Andriamasinoro, 7.636 ny an’i Faniry Alban, 1.257 ny an’i Fenoarison Andrianjoelina ary 650 ny an’i Eliace Ralaiarimanana.

Faritra hafa

Ho an’ny ankamaroan’ny Faritany kosa dia rahampitso no hamoahan’ny CENI izany voka-pifidianana vonjimaika izany, ankoatra ny Faritanin’Antsiranana, izay hivoaka ny alarobia ho avy izao.
Ho an’ireo kaominina valo (8) tsy nahitana lisitra mpanolontsaina kosa dia andrasana ny didy havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana mba hilazana ny fahitana fototra ny amin’ny tsy nisian’ny fifidianana tamin’ireo toerana ireo. Aorian’izany dia tsy maintsy homanina ny fifidianana amin’ny ampahany izay tokony hatao amin’ireo toerana ireo.

Afaka manohitra ny voka-pifidianana

Marihina moa fa hifarana amin’ny fotoana hanambarana ny vokatra vonjimaika ny fitoriana mikasika ireo tsy fanarahan-dalàna rehetra hita nandritra ny fampielezan-kevitra sy nandritra ny andron’ny latsabato.

Ny fitoriana hanoherana sy tsy ankasitrahana ny voka-pifidianana kosa dia manomboka amin’ny fotoana amoahan’ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaika ka hatramin’ny hamoahan’ny Fitsarana ny vokatra ofisialy.

Vous aimerez aussi