NOSY MALAGASY : Ho avy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay

Ny alakamisy 20 febroary ka hatramin’ny sabotsy 21 febroary ho avy izao no ho avy eto amintsika ny Lehiben’ny diplaomasia frantsay, Jean-Yves Le Drian. Raha ny fandaharam-potoanany dia hitsidika an’i Mozambika sy ny Nosy Maorisy ihany koa ny tenany ny 22 febroary.

Nosy manodidina

Tsy mbola voafaritra loatra ny vontoatin’ny diany. Na izany aza, tsy maintsy ho voaresaka kosa ny politika ankapoben’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta, ary koa ny fiaraha-miasa aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana. Mety hisy koa ny dinika fiaraha-miasa hifanaovany miaraka amin’ny Ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina, izay Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy teo aloha.

Ho an’ny vahoaka  malagasy manokana anefa dia irina ary andrandraina fatratra ny dinika mikasika ireo Nosy manodidina na ny « îles éparses ».

Nandrasana hatry ny ela

Zara fa nisy ary tsy fantatra loatra ny dinika voalohany niarahana tamin’ny delegasiona frantsay, natao teny Andafiavaratra, mikasika ireo Nosy manodidina.

Noheverina ho nisy ny dinika fanindroany ny voalohandohan’ny taona, izay nokasaina ho natao tany Frantsa, nefa tsy nisy izany.

Natao makotroka anefa ny fikaonan-doha lehibe namoriana ny solontena malagasy manerana ny Nosy, teny amin’ny CCI Ivato, ny faraparan’ny taona lasa iny, kanefa tsy nandrenesana akony loatra teo amin’ny frantsay izany.

Ny hany vita dia ny nanamafisana ny anaran’ireo Nosy malagasy, ka natao ho Nosy Sambatra ny îles Glorieuses, Nosy Ampela i Europa, Nosy Kely i Juan de Nova ary Nosy Bedimaky ny Nosy Bassas da India.

Tsy manaiky ny Filoha frantsay

Vao omaly anefa no nanamafy ny Filoha Frantsay fa hotazominy  ireo Nosy ireo, ary tsy ekeny koa ny fiaraha-mitantana izany. Nambarany aza fa hohamafisina ny fiambenana ireo Nosy satria hisy ny tetikasa hiarovana ny valan-javaboahary ao amin’ny Nosy Sambatra (na îles Glorieuses).

Koa andrasana, araka izany, izay mety ho fanehoan-kevitry ny Filoha roa tonta amin’izao fahatongavan’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny frantsay izao.

Vous aimerez aussi