Fifidianana Solombavambahoaka : Nandresy tanteraka ny safidy tsy hifidy

Nahazo ny taha ambony indrindra tamin’iny fifidianana Solombavambahoaka natao ny Alatsinainy 27 Mey lasa teo iny ny safidy tsy hifidy. Araka ny fanombanana nataon’ny mpanara-maso ny fifidianana dia manodidina ny 31% eo ho eo ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy.

Ho an’ny ankamaroan’ny biraom-pifidianana eto an’Antananarivo sy ny manodidina dia olona maherin’ny 100 eo ho eo no tonga nandatsa-bato, amin’ny mpifidy 600 mahery. Tsy nisy intsony ny filaharana lavareny teny amin’ny birao fandatsaham-bato fahita mahazatra amin’ny fotoam-pifidianana. Niaina ny fiainany andavanandro ny ankamaroan’ny olona. Maro ny mpivarotra, tsy vitsy ny mpiantsena, niasa ny taxibe satria tsy nisy rahateo ny ambotaiazy, maro aza ireo nanararaotra ka nanao io andro io ho fitsangatsanganana noho ny fitohizan’ny andro tsy fiasana,…
“Fifidianana tsy hihinanan-kanina io !”, hoy ny mpivarotra iray eo Andravoahangy. “Aleo mitady vola toy izay handany fotoana hifidy !”
“Tsy hitsinjo ny vahoaka zany ‘reo fa hitady ny tombontsoany manokana !”, hoy ny mpamily iray. Hoy indray ny tanora iray: “Mba mifidy fa manan-jo e!”
Tsy vitsy amin’ny olona tokony hifidy ihany koa anefa no milaza tsy mahalala ny kandidà eny amin’ny faritra misy azy. Misy aza moa ny hafa tsy mahafantatra izany datim-pifidianana izany akory. Ny hafa aza manaraby ny te-hifidy ihany fa tsy manan-karatra. Ny mpiasam-barotra sasany kosa dia tsy navelan’ny mpampiasa aza hiala teo am-pivarotana mihitsy.
Na izany aza, endrika iray tsy firaharahian’ny vahoaka ny fiainam-pirenena loatra iny fifidianana solombavambahoaka iny ka tokony hampieritreritra lalina ny mpanao politika. Eo indrindra indrindra ny toetra ratsin’ireo solombavamhoaka 79 teo aloha, izay voarohiroy tamin’ny raharaha kolikoly, ka tsy mahasarika ny maro hifidy depiote intsony.

Simba ny demokrasia

“Endrika iray maneho ny tsy fisian’ny demokrasia intsony izao fahavitsian’ny mpifidy izao !”, hoy ny Filoha Lefitry ny CENI, Thierry Rakotonarivo raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy. Nanteriny fa tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’ny fifidianana teto ny fisian’ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy latsaky ny 10%, ao amin’ny fari-pifidianana iray. Nalainy ho ohatra amin’izany ny ao amin’ny distrikan’Ankazobe sy Ambovombe, izay 10% monja. Ary mbola mahavariana noho izany, hoy ihany izy, ny tsy fisian’ny mpifidy na iray aza, tonga manatrika ny fanisam-bato, tamin’ny birao maro.
Manoloana izany no nanaovan’ny CENI antso avo ho an’ireo tompon’andraiki-panjakana politika sy ny fiaraha-monim-pirenena mba hanabe sy hanentana ny vahoaka.

Ramanana

Vous aimerez aussi