Fifanaraham-piaraha-miasa miisa efatra no vita nandritra ny dia ofisialy voalohany nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny alarobia 28 Mey lasa teo, tany Frantsa. Telo amin’ireo no miompana amin’ny famatsiana herin’aratra ary ny iray mikasika ny fanatsarana ny fambolem-bary, izay mampiasa fitaovana moderna sy teknolojia vaovao.
Hihena ny vidin-jiro
Nambara nandritra izany fa hahazo jiro ny maro an’isa, satria ny 15%-n’ny Malagasy ihany no mba manana izany nandritra ny taona maro. Tsy vitan’izany fa hampidinina 30% ny sandan’izany herin’aratra izany. Izany hoe hahena hatramin’ny 1/3 ny vidiny ato anatin’ny dimy taona.
Arak’izany dia maherin’ny 300 MégaWatt no hotrandrahana mba hanatrarana izany tanjona izany. Hizara tetikasa telo lehibe, noho izany, ny fanatanterahana izany vina izany. Hisy ny fananganana barazy ao Sahaofika, izay hamokatra angovo 200 Mégawatts, izay mahavita ny 1/3-n’ny filana manerana ny Nosy. Azo hakarina ho 300 anefa izany, araka izay filàna mahamety azy. Mety amin’ny toetr’andro samihafa no manampy betsaka amin’ny fikojana ny tontolo iainana ity tetikasa ity.

Hiampy ny herin’aratra avy amin’ny angovo azo avaozina
Hanaraka ny teknolojia ny fambolem-bary
Ankoatra io dia nisy koa ny fifanarahana hanampy an’I Madagasikara amin’ny fahaleovantena ara-bary. Koa hisy ny fampivoarana ny teknika fambolena izany, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teknolojia vaovao.
Hanomboka ny volana Jona ho avy izao ny fandihadiana ny amin’ny fanatanterahana izany ary haharitra efa-bolana any ho any. Ankoatra ny kalitao moa dia hitombo ihany koa ny vokatr’izany vary izany. Hihena noho izany ny fanafarana vary any ivelany ary heverina hihena koa ny vidiny.
Angovo azo avaozina
Nisy ihany koa ny fifanaovan-tsonia mikasika ny angovo azo avaozina avy amin’ny herin’aratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Hametrahana “centrale thermique”, araka izany ao Toliary, ny volana Novambra ho avy izao. Hamokatra herin’aratra 3 MégaWatts ary 35 MégaWatts ho an’Antsiranana sy Mahajanga.
Famatsiana herin’aratra ihany ny tetikasa fahefatra, izay mifameno amin’ny tetikasa Sahaofika ery aloha, ka ahazoana herin’aratra 120 MégaWatts. Hatomboka ny taona 2020 izy ity ka hamokatra amin’ny taona 2023.

Hitombo sy hihatsara ny kalitaon’ny vary

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

