MPITATITRA MPIZAIKA NIHARAN-DOZA : Olona dimy no naratra mafy

Fiara roa hitatitra mpizaika ho aty Antananarivo no niharan-doza tamin’iny Làlam-pirenena faha-6 iny raha niala tao Ambanja, ny alakamisy lasa teo.  Olona dimy, araka izany hatreto no fantatra fa naratra mafy raha tsy nisy kosa ny namoy aina.

Manoloana izany dia manentana hatrany ny tompon’andraikitry ny fifamoivoizana ny amin’ny tokony hanajana ny hafainganam-pandeha izay tokony ho 75 Km isan’ora raha be indrindra. Tsy natao ho an’ireo mpitatitra mpizaika ihany anefa izany fa ho an’ny daholobe mampiasa ny làlam-pirenena rehetra.

An’arivony ireo fiara mifamoivoy hamonjy lamesa hatao ny Alahady izao ka mila fitandremana lalina ny mpamily fiara mba tsy amoizana ain’olona.

Ankoatra ny hafainganam-pandeha dia fadiana indrindra ny zava-pisotro misy alikaola.
Miakatra ambony ny tahan’ny fifamoivoizana ka mila mitandrina tanteraka ny rehetra, na amin’ny famonjena io lamesa lehibe io na amin’ny fodiana isaky ny faritra misy azy avy.

Vous aimerez aussi