FITSIDIHANA SY IRAKA APOSTOLIKA : Tongasoa eto Madagasikara ny Papa Fransoa

Nigadona teto Antananarivo ny fiaramanidina nitondra ny Papa Fransoa, omaly, tokony ho tamin’ny 4 ora hariva latsaka kely teo, rehefa avy tatsy Mozambika. Nitsena azy tety amin’ny seranam-piaramanidina ny Nonce Apostolika Paolo Rocco Gualtieri ary koa ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mivady.

Taorian’ny fisafoana ireo andia-miaramila sy ny hiram-pirenen’ny firenena roa tonta dia niarahaba ireo manam-pahefana malagasy tonga teny an-toerana ny Papa.
Nisy ny dinika fohy nifanaovan’ny Papa sy ny Filoham-pirenena tao amin’ny efitra voatokana ho amin’izany.
Avy eo dia nihazo ny làlam-baovaon’i Tsarasaotra ny delegasiona sy ny mpanara-dia ny Papa. Ny Papa, izay nitaingina ny fiara malagasy Karenjy Mazana 2, izay nofinidiny, ka nihazo an’Ivandry misy ny Nonciature hipetrahany.

Niravaka hafaliana

Asa na noho ny fepetran’ny fandriampahalemana hentitra loatra ka tsy nahazoan’ny fiara niantsona teny amoron-dàlana rehetra teny fa dia eo ho eo ihany ny isan’ny olona nitsena sy nijery ity vahiny  manan-kaja ity. Ankoatra ny maha-filoham-panjakana azy manko dia tokony ho nisongadina indrindra koa ny maha-filohan’ny finoana katolika azy. Saingy tsy dia araka ny nampoizina loatra ny hamaroan’ny olona na dia ny taty an-drenivohitra aza.
Na izany aza, hita ho feno fifaliana ireo rehetra nandray ny Papa teny amoron-dàlana rehetra nolalovany teny.

Fitsidihana voalohany

Izao fitsidihan’ny Papa izao no fitsidihana nataony voalohany taty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana ary fahefatra aty amin’ny faritra afrikana.
Ity ihany koa no famangiana faha-31 ataon’ny Papa Fransoa, hatramin’ny nahavoafidy azy ny 13 marsa 2013.

Ny fandaharam-potoan’ny Papa Fransoa

Ny sabotsy 07 septambra, amin’ny 9 ora sy sasany maraina no hanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny filoham-pirenena eny amin’ny Lapan’Iavoloha ny Papa Fransoa.
Amin’ny 10 ora sy fahefany no hihaona amin’ireo olom-panjakana, fiaraha-monim-pirenena, masoivoho,… eny amin’ny Lapa ihany ny Papa.
Amin’ny 11 ora sy fahefany no hitsidika eny amin’ny monastère des Carmelites izy ary avy eo dia hisy ny fiaraha-misakafo eny amin’ny Nonciature Ivandry.
Amin’ny 4 ora tolakandro kosa no hihaona amin’ireo Eveka eto Madagasikara ny Papa. Eny amin’ny katedralin’Andohalo no hanaovana izany.
Amin’ny 5 ora sy 10 mn no hitsidihany ny fasan’i Victoire Rasoamanarivo, izay eny Andohalo ihany.
Amin’ny 6 ora hariva no hihaonany amin’ireo tanora avy amin’ny diosezy 21 eny Soamandrakizay.
Ny alahady 08 septambra amin’ny 10 ora kosa no hitarihany ny lamesa eny Soamandrakizay.
Amin’ny 3 ora sy 10 mn kosa no hitsidihany ny eny amin’ny Akamasoa, izay misy an’i Père Pedro.
Amin’ny 4 ora tolakandro no hitsidihany ny toerana famakiana vato eny Mahatazana.
Amin’ny 5 ora sy 10 mn no fihaonan’i Papa amin’ireo Pretra sy relijiozy ary seminarista ao amin’ny kolejy Saint Michel.

Ireo làlana ho tapaka

Làlana tapaka anio sabotsy maraina : Ivandry – Ankorondrano – Antanimena – Analakely- Ambohidahy – Anosy – Rond point Filatex – Ankadimbahoaka – By pass – Iavoloha . Izany dia noho ny fitsidihana ara-panjakana ataon’ny Papa eny Iavoloha.
Ho tapaka ihany koa ny eny amin’ny By pass – Ankadindratombo – Mandroseza – Mahazoarivo – Ambanidia – Ampasanimalo – Fort Duchesne – Ampandrianomby – Nanisana – Analamahitsy ary ny Nonciature Ivandry.
Ny sabotsy tolakandro manomboka amin’ny 4 ora kosa dia ho tapaka ny eny amin’ny Nonciature Ivandry –Ankorondrano – Rond point Jesosy Mamonjy – Antanimena – Analakely – Ambohijatovo – Antaninarenina – Andohalo , noho ny fihaonan’ny Papa amin’ireo Eveka eny amin’ny Katedralin’Andohalo sy hamangiany ny fasan’i Victoire Rasoamanarivo.
Aorian’izay dia hihaona amin’ireo tanora eny Soamandrakizay ny Papa ka ho tapaka ny làlana eny Andohalo – Faravohitra – Ankadifotsy – Antanimena – Ankorondrano – Ivandry ary ny làlana mihazo an’i Soamandrakizay.

Soamandrakizay ara-tarehimarika

21 ny diosezy raisina manerana ny nosy.
800 m2 ny velaran’ny toerana masina hanaovana ny lamesa eny Soamandrakizay.
5 ny hopitaly mobila itandroana ny fahasalamana eny an-toerana.
32 ny trano misy toeram-pivoahana.
5 ny tranolain’ny Vokovoko Mena ho an’ny fahamehana.
250 ny toeram-pisakafoana eny an-toerana.
150 ny toeram-panariana fako.
10 ny toerana azo isotroana rano.
30 ny fahitalavitra lehibe (na écran géant)
20 ny toerana misy ny fanamafisam-peo, izay mahatratra 2.000 Watts ny tanjany.
35 Ha ny velaran’ny fiantsonan’ny fiara (na ny parking)
10.000 ireo mpilatsaka an-tsitrapo handray anjara amin’izay mila fanampiana.
7.500 ny mpitandro filaminana hahetsika.
5.559 ny tontalin’ny fiara avy amin’ny diosezy.
500.000 ireo olona handeha an-tongotra hiditra ao Soamandrakizay.
170 ny fanampin’ny jiro napetraka
55 ny fanampin’ny siniben-drano

Vous aimerez aussi