Tsy mipetraka ambonin’ny rafitra nentim-paharazana malagasy nifaka tamin’ny soatoavina fandalana ny Marina, Rariny ary ny Hitsiny ny taranaka nifandimby koa tsy mahagaga raha toa ka manao randra- mitarika mandraka ankehitriny ny fahantrana.
Vokany, tsy mitoetra intsony ireo “lamina” teo anivon’ny fiarahamonina napetrak’ireo Raiamandreny teo aloha fa nosoloina fomba fisaina sy fiaina nentin’ireo Vahiny. Anisan’ireny ny endrika fampisaraham-bazana mifototra amin’ny toe-tsaina mifanimba, mifampialona mitarika hatramin’ny fifapotehana eo amin’ny samy MalaGasy. Ireo toetsaina rehetra ireo izay nentin’ireo Frantsay mpanjanantany namotehana hatrany amin’ny fitompolo isan-jato ilay “lamina” napetrak’ireo Raiamandreny. Anisan’ny “soatoavina” nampiavaka ny Malagasy ny fifanampiana ho amin’ny fiarahana mahomby amin’izay rehetra kasaina hatao. Ankehitriny, mifanohitra amin’izany no mitranga mifampisintona hifotetaka amin’ny tany ny samy Malagasy fa tsy manana intsony ilay toetsaina hiara-misandratra hiazoana any amin’ny fahombiazana. Tsikaritra ny fiorenapakan’ilay toetsaina “Ory hava-manana” sy feno fankahalana eo amin’ny mpiray tanindrazana.
Aoka tsy ho hadinointsika fa manana ny tanjany ny Malagasy eo amin’ny tontolon’ny ara-panahy. Noezahan’ireo mpanjanantany Frantsay, araka izany, ny nanapotika tamin’ny fomba rehetra ny Kolontsaina sy ny soatoavina tao anatin’ny fotoana fohy nanamorana ny fametrahana ilay “Rafitra” nentina namotehana ny “Lamina” napetrak’ireo Raiamandreny malagasy.
Manoloana izany, tsy miraviravy tanana ireo Mpandala ny fomban-drazana fa miezaka mampiseho ilay firaisankina iray amin’ireo singa nandrafitra ny “Lamina” nentina nampirindra ny fiainam-piaraha-monina. Anisan’ny ezaka efa ataon’ireo Mpandala ny fomban-drazana ihany koa ny fanatanterahana ireo “Fomba” hoentina mamerina ny “Hasina”. Ity farany izay fomba iray hahafahana manova ny toe-tsain’ny isam-baravarana. Rehefa manan-kasina tokoa mantsy ny Olombelona iray dia ho sarotra ho azy ny hanao ny tsy mety eny anivon’ny fiarahamonina misy azy.

Anisan’ny mbola mitoetra ho olana amin’ny “fiverenana an-doharano” ny tsy fanomezan’ireo Mpitondra fanjakana lanja ilay fototra maha gasy antsika fa mbola variana sy sondriana amin’ireo kolontsaina vahiny izy ireo. Tsy ny endrika ivelany no itsarana fa miaina sy manome Hasina ilay maha gasy ny isam-batan’olona fa ny fiezahan’ny tsirairay hiverina anatin’ilay “Lamina” mifototra amin’ny fandalana ny “Marina”, “Rariny” ary ny “Hitsiny”. Mitoetra ho olana ho amin’ny fanatanterahana izany anefa ny tsy fametrahan’ireo Mpitondra fanjakana nifandimby ilay “Rafitra tena malagasy sahaza ny Gasy” mifaka amin’ny soatoavina nolovaintsika tamin’ireo Raiamandreny.
Mila averina, araka izany, ilay “Rafitra ara pomban-drazana” izay nentin’ny Gasy nifehezana sy nandrindrana ny fiainam-piaraha-monina. Isika anefa ity toa mbola mitomany Randrana tsy manendrika antsika akory. Anisan’ny ahafahana manatanteraka ny fiverenana an-doharano ny fametrahana indray eny anivom-piaraha-monina ireo “Olobe”. Ireto farany izay manam-pahendrena sy fahalalana. Ireo “Olobe” izay tokony ho mpandala ny fomban-drazana mba hananan’izy ireo ilay fahaizana mifandray amin’ireo fanahy sy hananan’izy ireo ilay fankatoavana an’ilay Andriamanitra andriananahary. Ho sahy hametraka ilay rafitra mety sy sahaza ary mendrika ny Gasy ve ny “Mpitondra fanjakana” mba hahafahana manapaka tanteraka ity rojom-pahantrana mangeja ny ankamaroan’ny Malagasy sy ireo taranany ity ? Ho an’ny Gasy tokoa mantsy ny fananana ilay “Fahendrena” no ampinga nentiny nikatsaka hatrany ilay fahombiazana fz tsy ny vola na ny fahefana na ny fananana tanjaka akory. Raha mikiry biby tsy hamerina ilay Rafitra nentim-paharazana mifaka amin’ny fandalana ny soatoavina (Marina, Rariny, Hitsiny) izay ahafahana mametraka ny firaisankina, fifanjana, sns isika dia mbola hiaina fahantrana amin’ny endriny rehetra ny Gasy sy ireo taranany. Loza !


