MPANAO GAZETY : Nivoaka ny fonja i Arphine

Nivoaka ny fonja tamin’ny maraina teo i Arphine Rahelisoa, mpanao gazety rehefa voatana tao amin’ny fonjan’Antanimora nandritra ny iray volana katroka.

Nitsena azy teny am-pivoahana ny fonja ireo zanany sy ireo mpanao gazety namana.

Ny 02 aprily moa izy no teny amin’ny Fitsarana ary naiditra am-ponja ny 04 aprily. Faniratsirana tamin’ny alalan’ny tambazotra facebook no niampangana azy. Izy dia mpanao gazety sady Talen’ny famoahana ny gazety Valosoa, izay mpanohana tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana.

Araka ny fanambarana nataon’ny Filohampirena , izay niarahaba ny mpanao gazety noho ny  Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety dia navotsotra izy.

Vous aimerez aussi