Jean Andriamanantena no tena anarany. Tany amin’ny Taona 1961 ny lehilahy no efa nikirakira ny Hira sy ny Mozika noho izy efa anisan’ireo nandrafitra ny Tarika Ravinala. Ity farany izay azo ambara fa efa nitondra avo ny fanevan’ny mozika malagasy hatrany Dilambato. Ny taona 1963 izy no mampiditra ny tsanganasany voalohany tao amin’ny Radiom-pirenena malagasy Anosy.
Tombony lehibe ho an’i J. Andriamanantena ny talenta ananany amin’ny lafiny famoronan-kira sy ny fahafehezany ihany koa ny sehatry ny fihirana. Mahay mitendry zavamaneno toy ny Gitara ny Vatamaroafitsoka ihany koa ity andrarezin’ny kanto an-kira ity. Mirona kokoa amin’ny famoronana hira mivetso an-dRafitiavana i J. Andriamanantena. Miavaka amin’ny fahaizana misafidy ireo voambolana malagasy ho entina mandrafitra ireo tononkirany ny lehilahy. Sarotiny tanteraka amin’ny fomba fanehoana ireo kantony rehefa miantsehatra ity Mpanakanto ity. Tsongaina amin’izany ny fomba hianjaika, ny fomba fihira mba tsy hisy diso, sns. Mila hajaina ny Mpijery ary omena ny hasiny ihany koa ny kanto lalaovina, hoy i J. Andriamanantena. Ankehitriny mbola manohy ny filalaovana ny mozika voarindra amin’ny gadona maroloko (milamina sy mihetsika) i J. Andriamanantena. Mijoro hatrany koa ny tarika J. Andriamanantena izay ahitana an’i Benja sy i Alisoa manampy eo amin’ny lafiny feo. Ilay hira “Dinan’ny fitia” no sanganasa voalohany nojarian’i J. Andriamanantena. Ny hametraka kanto an-kira tsy lefin’ny vanimpotoana maro mifandimby mba ho lovain’ny taranaka ary ny hametraka ny kanton’Imerina amin’ny toerana mendrika sy sahaza azy. Ireo no anisan’ny antom-pisian’ny tarika J. Andriamanantena.


