MITOKONA NY TAKSIBROSY : Tsy manaiky ny fandaminana

Ny tsy  fanekena ny famerana ny lanjan’ny entana ho 15 kg isan’olona, ny ahavon’ny entana 0,80 m, ny tsy azo ametrahana entana ambany fiara,… Izany no anisan’ny antony hitokonan’ireo mpitatitra eny Andohatapenaka nanomboka omaly. Namoaka didy momba izany tokoa manko ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fitaterana (na ny ATT) mba hisian’ny fifamoivoizana mirindra amin’izao fiandohan’ny faran’ny taona izao.

Noho izany, tsy nijanona teo amin’ny fiantsonana ireo taksibrosy ireo fa nivoaka tety akaikin’ny kianjan’i Maki. Ary na dia nisy aza ny fiara sasany izay nanaiky ny fandaminana dia nobahanan’ireo mpitokona tsy handray fiaingana. Mifatratra any amin’ny mpandeha ihany koa, noho izany, ny fatiantoka.

Na ho be ny loza na ho be ny vola miditra

Nambaran’ireo mpitokona manko fa ankoatra ny saran-dàlan’ny mpandeha dia mba fidiram-bolan’izy ireo ihany koa ny entana. Koa raha ferana izany dia hitombo ny fatiantoka satria tsy mitsaha-misondrotra ny vidin’ny piesy sy ny saran’ny fikojakojana ny fiara.

Mbola ady tsy  vita indray, noho izany, ny an’ny ATT sy ny mpitatitra fa tsy maintsy ho jerena ny marimaritra iraisana.

Anisan’ny fanambaran’ny tompon’andraikitra manko fa anisan’ny fampihenana ny lozam-pifamoivoizana no antony hamerana ny lanjan’entan’ireo mpitatitra ireo.
Misafidy izany ny roa tonta : na ho be ny loza na ho be ny vola miditra.

Vous aimerez aussi