Anio zomà dia efa amidy ny tapakila hidirana eny amin’ny « gradin », etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, eo amin’ny lalao hihaonan’ny Barea sy Etiopia. Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ny Federasiona malagasy misahana ny baolina kitra.
Ferana ho 18.000 ihany ny isan’ny tapakila amin’izany, izay mifanaraka amin’ny isan’ny toerana.
10.000 ar no vidin’ny tapakila ka toerana 3 no azo hividianana izany, dia ny voalohany eo amin’ny Bazar du quartier manoloana ny Palais des Sports. Ny faharoa dia eny amin’ny Coliseum Antsonjombe ary ny fahatelo dia eny amin’ny kianjan’i Makis, Andohatapenaka.
Ferana ho tapakila telo (3) ihany, araka izany, no azon’ny olona iray vidiana amin’ireo toerana ireo.
Ny sabotsy andron’ny lalao kosa dia hivoha amin’ny 6 ora maraina ny vavahadin’ny kianjaben’ny Mahamasina. Entanina, noho izany, ireo izay nahazo tapakila mba ho tonga mialohan’ny amin’ny 12 ora antoandro.
Mazavabe, araka izany, fa tsy misy olona tsy manana tapakila intsony tokony ho eny Mahamasina, ny sabotsy izao, satria efa lany mialoha koa ny tapakilan’ny eny amin’ny « tribune ».

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

