Ny famerenana amin’ny vahoaka ny fahatokisana ny Fitsarana. Io no laharam-pahamehan’ny Minisitry ny Fitsarana vaovao, Johnny Richard Andriamahefarivo. Anisan’ireo fanambarana nataony izany, io maraina io, nandritra ny famindram-pahefana ka nandraisany voalohany ny asany.
Tsy takon’afenina tokoa manko ny laza ratsin’ny Fitsarana, izay anisan’ireo ratsy toerana indrindra eo amin’ny sehatry ny kolikoly eto amintsika. Koa ny hanarina izany no tarigetran’ity Minisitra vaovao ity, ka mba hiova ny fijerin’ny olona ny Ministera.
Ho tompon’andraikitra ny tsirairay
Manolona izany no nanipihany fa tokony ho tompon’andraikitra amin’ny ataony ny tsirairay avy.
Rehefa manao ny tsy mety dia tsy mety, hoy izy hentitra. Ka aoka tsy hananan-kavana na fahafantarana olana intsony ny raharaham-pitsarana !
Mety hisy ihany koa ny fanelanelanana (na intervention), hoy hatrany izy, kanefa tokony hijoro amin’ny maha-izy azy ny tsirairay avy.
Fiandrianam-pirenena
Nosoritany fa iankinan’ny fiandrianam-pirenena ny fiverenan’ny fahatokisan’ny olona ny asam-pitsarana, satria manampy rahateo amin’ny fialana amin’ny kolikoly izany.
Nasiany teny ihany koa anefa ny sehatry ny asa sy ny mpiasa ao. Aoka, hoy izy, tsy ho endriky ny fampitahorana intsony koa ny Fitsarana, satria tsy fantatry ny rehetra izany raharaham-pitsarana izany.
Koa ilaina indrindra ny manome fanazavana am-pitsikitsikiana ny olona mila raharaha eny anivon’ny Tribonaly eny. Araka izany dia atao ny ezaka ifanatonana amin’ny olona rehetra dia mba hiverina tokoa izany fahatokisana izany.


