MINISITRY NY FAMPIANARANA AMBONY : Ny fandriampahalemana aloha !

Ny fametrahana ny fandriampahalemana no laharam-pahamehana, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambony vaovao,  Elia Béatrice Assoumacou, nandritra ny fifandimbiasan-toerana nifanaovany tamin’ny Minisitra teo aloha, Blanche Nirina Richard, io maraina io.

Tsy maintsy itadiavam-baha olana, araka izany, ny raharahan’ny Seces, hoy izy ary maika dia maika izany mba hampiravina ny savorovo misy eo amin’ny Fampianarana Ambony eto Madagasikara.

Tsy nandrasana ela moa izany fa vao vita ny  famindram-pahefana sy ny fisoloan-toerana dia niresaka tamin’ny biraon’ny Seces nasionaly ny Minisitra vaovao, satria maika ny fitondrana vaha-olana ary maika koa ny fitadiavana vaha-olana miaraka amin’izy ireo.

Nanteriny fa tsy afaka hiasa ao anaty korontana ny tenany ka am-pilaminana no hijeren’ny ministera ny olana sy ny fitakiana, miaraka amin’ny sendika. Zava-dehibe ny fiaraha-miasa ka tsy afaka hanary ireo sendikan’ny ministera ireo  ny tenako, hoy ihany izy.

Tsy hisy koa ny asa hatao na zavatra ho vitan’ny ministera raha tsy misy ireo sendikà ireo. Nomarihiny fa tsy maintsy miaraka hatrany, toy ny vary sy rano, ny sendikà sy ny ministera.

Tanjona, hoy izy ny fanatanterahana ny vina sy ny tetikasa dia ny fametrahana  sy fampiroboroboana ny kalitaon’ny fampianarana.

Vous aimerez aussi