Fiaramanidina, helikoptera, fiara tsy mataho-dàlana, fiara fitsaboana. Ireo no fitaovana vaovao nentina nampirantiana tetsy Mahamasina, ny 26 Jona lasa teo, nandritra ny fotoam-pankalazana ny faha-59 taonan’ny Fahaleovantena sy ny Foloalindahy.
Ankoatra ny Filoham-pirenena malagasy mivady sy ireo olo-manankaja isan-tokony dia niatrika izany koa ny vahiny nasaina, ny Filoham-pirenen’i Rwanda, Paul Kagame mivady, izay Filoha nasaina manokana satria haka lasitra ny fampandrosoana nataony i Madagasikara.
Nitandahatra nandritra ny ora roa teo ho eo ireo fiara vaovao maro samihafa, izay hampiasain’ny Foloalindahy henti-mampandry tany. Azo visavisaina tamin’ny fahitana izany ny mbola fanjakan’ny tsi-fandriampahalemana eto amin’ny Nosy, satria dia mifanohitra amin’izany ny fahavitsian’ny fitaovana tokony ho entin’ny Foloalindahy mamokatra, toy ny traktera.
Ankoatra ny Foloalindahy malagasy nanao ny matso moa dia niavaka ihany koa ny fahitana ireo miaramila vahiny frantsay, kaomoriana ary maorisiana tonga nandray anjara tamin’izany tamin’ity indray mitoraka ity.
Nisongadina indrindra koa ny fisian’ny fiara lehibe fitsaboana, izay heverina hapetraka eny anivon’ny distrika manerana ny Nosy, mandrapahavitan’ny tena hopitaly isan-toerana. Hita fa hahasolo ny toeram-pitsaboana izy ireny ka tena azo atao fiandry amin’ny toerana lavitra tobim-pahasalamana. Anisan’izany ihany koa ny fisian’ny fiaramanidina sy ireo helikoptera vaovao azo enti-mamonjy ireo marary mila izany tokoa. Saingy ho sahaza ny maro ve ny saran’izany ?
Foloalindahy manakaiky vahoaka
Fampisehoana natao ho famaranana ny matso ny « Foloalindahy manakaiky vahoaka ». Dia ny Foloalindahy namonjy ireo mponina notafihan’ny dahalo. Nampiasain’ireo mpitandro filaminana tamin’izany, ankoatra ny fitaovam-piadiana, ny fiara tsy mataho-dàlana sy ny helikoptera. Koa voavonjy ireo mponina sy ny Ben’ny Tanàna, izay nalaina an-keriny.
Tsaroana ny tamin’ny taon-dasa: ny fanavotana olona natao takalon’aina no nanaovan’ny mpitandro filaminana fampisehoana. Herinandro vitsivitsy taorian’izany anefa dia niroborobo fatratra ny fakana an-keriny sy fanaovana takalon’aina teto amintsika. Eny, hatramin’ny dahalo aza mba niroso tamin’izany.
Dia sanatria hampiroborobo ny asan-dahalo ihany koa ve iny fampisehoana iny ?
Ramanana

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

