Angatahina ny amoahana didy hitsivolana amin’ny fakana sy famerenana ireo harena azo tamin’ny tsi-rariny. Izany no sosonkevitra naroson’ny fiaraha-monim-pirenena miady amin’ny kolikoly, nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao tetsy Ambatonakanga, ny alatsinainy lasa teo.
Nanterina nandritra izany ny tokony hanaovan’ny tompon-andraiki-panjakana sonia io volavolan-dalàna io mialoha ny hijoroan’ny Antenimiera Nasionaly.
Raha tiana hisy tokoa ny fiovana tanteraka, manoloana ny kolikoly dia tokony hisy ny fanampiana ireo rafitra miady amin’izany. Fantatra manko, araka ny fanambarana, fa nihena 44 % ny tetibola natokana ho an’ny Fitsarana misahana manokana ny ady amin’ny kolikoly, kanefa ny tetibola teo aloha aza tsy ampy.
Nanterin’ny mpikambana teo anivon’ny fiaraha-monim-pirenena « Rohy » (Rindran’ny Olompirenena Hiarovana ny Iaraha-manana) aza fa raha atao ambanin-javatra tahaka izao ny tompon’andraikitra miady amin’ity kolikoly ity dia mbola ho lavitr’ezaka ny ady atao amin’ity fanao mambotry firenena ity.
Tsy hisy, noho izany, ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy, ny ady atao amin’ny kolikoly eto Madagasikara raha tsy misy ny fanampiana avy amin’ny fanjakana.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

