Nanao hetsika ho fitakiana ireo Nosy manodidina ny vahoaka sy ny fikambanana samihafa miara-dia amin’ny Otrikafo io maraina io, tetsy Ambatomena, manoloana ny masoivohon’i Frantsa.
Natao izany, ho fanehoana ny firaisankinan’ny vahoaka malagasy amin’izao fandalovan’ny Minisitry ny Raharahambahiny frantsay eto amintsika izao.


