MAROANTSETRA : Ahiana ny fihanaky ny aretim-pivalanana

Mitohy ny fiatoan’ny fampianarana noho ny mbola maha dibo-drano ireo fokontany maro ao anatin’ny distrikan’i Maroantsetra, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Herold farany teo. Etsy andaniny, manahy mafy amin’ny mety ho fipariahan’ny aretim-pivalanana ny tomponandraikim-panjakana any an-toerana noho ny fahalotoan’ireo vovon-drano.

Ny 80 % n’ny mponina ao an-tampon-tanànan’i Maroantsetra no mbola mampiasa ny vovon-drano (Fatsakana). Maro tamin’ireo vovon-drano no voaloto noho ny orana nikija tany an-toerana nentin’i Herold ny faran’ny herinandro teo. Manoloana izany, manao antso avo ho an’ny fitondrana foibe ny any Maroantsetra mba hanatanterahana ny fanadiovan-drano faobe ho an’ireo vovon-drano.

Marihina fa mbola mitoetra ho olana goavana ho an’ireo mponina any Maroantsetra ny tsy fananana rano fisotro madio sy ara-pahasalamana izay mety hitarika ny fisian’ny valanaretina. Raha ny tatitra vonjimaika, miisa 2369 ireo traboina, 269 ny trano rava tanteraka ary 200 mahery ny isan’ny omby lasan’ny rano. Fotodrafitrasa toy ny sekoly, biraom-panjakana ary velaran-tanimbary no   simba vokatry ny fiakaran’ny rano. Vokatra vonjimaika ihany ireo fa ahiana ny mbola hitomboany, hoy ny lehiben’ny distrikan’i Maroantsetra. Manomboka midina ny rano amin’ireo fokontany any an-toerana ankehitriny saingy miadana dia miadana izany, hoy ireo mponina any Maroantsetra. Mbola maro ihany koa anefa ireo fokontany miaina anaty ranobe hatramin’ny anio.

Vous aimerez aussi