MARC RAVALOMANANA : « Tsy miasa amin’ny fahamarinana ity fitondrana ity ! »

« Tsy mandeha araka izay tokony ho izy ny fifidianana eto Madagasikara ary ho torak’izany koa ny fampandrosoana satria tsy miasa amin’ny fahamarinana sy fahamasinana ny fitondrana ! ».

Anisan’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana izany, io maraina io, tetsy amin’ny lisea Faravohitra.  Nifanojo tamin’ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM), teo aloha, ny Pasitera Lala Rasendrahasina, izay tsy afaka nifidy manko izy, ka tohina tamin’ny tandrevaka amin’ny fikarakarana ity fifidianana ity.

Ny mahagaga, hoy izy, dia afaka nifidy soa aman-tsara ny vady aman-janak’ity Mpitandrina ity fa izy kosa tsy tao anaty lisitra, izay norafetin’ny CENI.

Zava-dehibe anefa ny fifidianana satria fanontaniana apetraka amin’ny vahoaka izany ka hisafidianany izay olona tiany hitondra azy.

Haka fepetra

Manoloana izany dia haka fepetra noho izao fifidianana ratsy fanomanana izao ity Filoham-pirenena teo aloha ity, ka hampiantso fivoriana izy amin’ity takariva ity ihany. Nanterina fa tsy madio ary tsy mangarahara izao fifidianana izao, satria tsy ity Mpitandrina ity ihany no lasibatry ny tsy fahazoa-mifidy fa olona maro dia maro no nandraisa-pitarainana momba izany.

Vous aimerez aussi