« Very ny zoko ! », hoy ny Filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) teo aloha, ny Mpitandrina Lala Rasendrahasina. Anisan’ireo tsy afaka nifidy manko ny tenany raha nikasa ny hanatanteraka izany, tetsy Faravohitra, io maraina io.
Manana kara-pifidianana tokoa izy saingy tsy anatin’ny lisitra ny anarany. Nanteriny anefa fa afaka naneho ny zony hatrany izy tamin’ireo fifidianana nifandimby.
Anisan’ireo nianjadian’ny tandrevaka nataon’ny CENI ihany koa izany ity Mpitandrina ity, izay nomarihin’ny tao amin’ny biraom-pifidianana fa ny Vaomiera manokana misahana ny fifidianana (na ny CENI), no tompon’antoka tamin’ny fandrafetana izao lisi-pifidianana izao.

Pour mieux vous servir, l’AMP travaillera dans le respect de tout un chacun, dans la réalité des actualités et de ce qui nous entoure. L’objectivité sera notre mot d’ordre.

