Diso laharam-pahamehana ny Fitondrana ankehitriny. Nahitsy ny Filoha teo aloha, Marc Ravalomanana raha nanambara izany, omaly, teny Faravohitra, nandritra ny lanonana fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taona vaovao nataon’ny antoko Tiako I Madagasikara ( na ny TIM) sy ireo mpiara-dia aminy.
Mahantra ary diso fanantenana
Tao anatin’ny fahantrana no niainan’ny vahoaka tamin’iny 2019 iny, hoy izy. Ny fahantrana izay anisan’ny miteraka ny tsi-fandriampahalemana manerana ny Nosy mihitsy, ankehitriny.
Mahantra tanteraka ny vahoaka malagasy vao herintaona nahazoana Filoha vaovao. Niaina tao anatin’ny fahadisoam-panantenana lalina. Ary mahita ny maizina isan’andro noho ny fidangan’ny vidim-piainana.
Tsy manana asa ny tanora, indrindra ny any ambanivohitra satria tsy mamboly sy miompy intsony, satria sady tsy manana fitaovam-pamokarana no tsy manana mpividy vokatra noho ny haratsin’ny làlana.
Manoloana izany dia miha-lalina ny elanelan’ny mahantra sy ny mpanankarena. Tsy misy intsony ny sokajin’olona telo nisy hatrizay, satria tsy misy intsony ny « classe moyenne », toy ny mpampianatra sy Dokotera, izay afaka hanofa na hividy ny trano hatsangan’ny Fitondrana.
Fa na mahantra ny olona dia mankao ambany tonelina na mpanakarena dia manana fiara tsara tarehy sy trano mijoalajoala.
Mila mivoatra
Ilaina ny fivoarana, hoy ihany ity filohan’ny mpanohitra ity, raha tiana ny hampandroso an’i Madagasikara.
Ilaina ny fampanjakana ny demokrasia satria nanjaka tamin’iny taona lasa iny ny tany tsy tan-dalàna, ny tsy fisian’ny demokrasia ary ny hosoka sy ny halatra. Teo koa ny tsy fanajana ny zo maha-olona. Manoloana izany no nijoroan’ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara (na ny RMDM).
Manoloana izany fihemorana rehetra izany no nanoloran-dRavalomanana soson-kevitra, ka nilazany izay mety ho laharam-pahamehana dia ny fanamboaran-dàlana, ny fampiraisam-pirenena, ny fametrahana ny demokrasia ary ny tany tàn-dalàna.
Kongresin’ny mpanohitra
Na tsy neken’ny fitondrana ankehitriny azy ny fijoroan’ny mpanohitra dia nanterin’ny Filoha teo aloha fa tsy hangina ny mpanohitra raha mbola misy ny tsy mety ataon’ny Fitondrana.
Hisy aza, hoy ihany izy, ny kongresin’ny mpanohitra izay hatao amin’ity taona ity.


