LOZAM-PIFAMOIVOIZANA TANY ANDRIBA : Tale 3 avy amin’ny Ministeran’ny Fampianarana no indray namoy ny ainy

Maty teo no ho eo ny Tale roa ary ny iray kosa tany amin’ny hopitaly vao namoy ny ainy. Izany no lozam-pifamoivoizana nitranga tamin’ireo Tale telo eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fampianarana ara-teknika sy arak’asa, tamin’ity maraina ity, teny amin’ny làlam-pirenena fahefatra, 3 Km tsy hidirana ny Kaomin’Andriba.

Samy tompon’andraikitra ambony avokoa izy ireo dia ny Tale Jeneralin’ny ONCFP (Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle), Ali Imrana, ny Talen’ny ONaPASCOMA (Office National de la Prévention des Accidents Scolaires de Madagascar), Rabe Severin, ary ny Talen’ny CNAPMAD (Centre National de Production de Matériels Didactiques), Andrianjafimparany Ampy Anders.

Araka ny hita dia niala ny làlana ilay fiara 4X4 nitondra azy ireo ka nivarina tanaty hantsana.

Dimy (5) izy ireo no tao anatin’ity fiara ity, ka mpamily ny iray ary ny iray kosa mpianatra avy any Antsiranana izay samy mbola tsaboina ao amin’ny hopitalin’Andriba avokoa.

Mbola nentina teny amin’ny hopitaly ihany koa i Ali Imrana, ka tany izy vao namoy ny ainy.

Marihina moa fa nitondra tambavy Covid-Organics sy aron-tava ary nanara-maso ny fidiran’ny mpianatra tany an-toerana no anton’ny dian’zy ireo tany Antsiranana.

Vous aimerez aussi